Dans la męme rubrique

RMDM

14/08/2019

Tafatsangana ankehitriny ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

RMDM

Hamaky ny tohiny...

Lova Ramisamanana

05/08/2019

Naneho ny hatezerany manoloana ny fiverenan’ny tandrevaka nisy hatrizay eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra ny filohan’ny fikambanana Alefa Barea, Lova Ramisamanana.

Lova Ramisamanana

Hamaky ny tohiny...

SAMBO TOJO OLANA

31/07/2019

Maty motera ary notsofin’ny rivotra mahery ny sambo iray antsoina hoe Joby. Nitatitra simenitra aman-jatony taonina izy io ary hikasa ny hihazo an’i Vohémar raha niala teo amin’ny nosy « Prunes ».

SAMBO TOJO OLANA

Hamaky ny tohiny...

NANDRIAKA NY RA

29/07/2019

Nandriaka ny ra tamin’iny faran’ny herinandro iny. Raha ny teo anivon’ny zandarimaria manokana dia efa tafiakatra maherin’ny efapolo ny isan’ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga.

NANDRIAKA NY RA

Hamaky ny tohiny...

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

23/07/2019

Mitombo hatrany ny fitohanan’ny fifamoivoizana vokatry ny tetikasa fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra.

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

Hamaky ny tohiny...

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

22/07/2019

Mbolalavitr'ezakatanterakanyfamantarana ny toetry ny andromalagasy. Novoizinamafynyhoe hilatsakahatranyamin'ny 0°C ny mari-pànamanombokaamin'ny 21 jolay.

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Hamaky ny tohiny...

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

07/06/2019

Nasaina nohanina velona ilay akoho. Izay no fitsaram-bahoaka nahazo ny tovolahy iray tetsy Andraisoro omaly.

 

 

 Izy io dia voasambotra rehefa tratra ambodiomby nangalatra ilay biby fiompy. Mba tsy nikasi-tànana ny olona fa kosa tsy nanaiky raha tsy laniny ilay akoho velona. Tsy afa-nanoatra ilay olon-dratsy mba ho fiarovana ny ainy. 


ZANDARY 36 NIDOBOKA AM-PONJA

 

Tafiakatra 36 ny zandary efa nidoboka am-ponja tao anatin’ny enim-bolana. Izy ireo dia na nandray anjara mivantana tamin’ny asan-jiolahy na koa nanao fanararaotam-pahefana. Ny sasany kosa dia nanao kolikoly ary notorian’ny olona nony avy eo. Nanao tatitra momba izany ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria. Ny tsikaritra dia samy miaro ny rambony tsy ho tapaka ny minisitry ny mpitandro ny filaminana raha vao nitranga ny raharaha Ampitatafika. 

RESAKA TONDRO MOLOTRA

 

Tondro molotra fotsiny dia nosamborina ary nofatorana tady ny sefo fokontany tao Nosiarina, tanàna iray ao Sambava. Nampangaina fa niray tsikombakomba tamin’ny olona iray nitory noho ny fangalarana ny taninyizy io. Tonga tokoa ny mpitandro ny filaminana nisambotra ilay olona nefa tsy hita ny nanjavonany. Nifatratra tany amin’ny sefo fokontany indray ny rihitra nony avy eo. Voatery niditra an-tsehatra ny olobe sy ny tangalamena vao nilamina ny raharaha. 

HOSOKA TAMIN’NY FIFIDIANANA


Kandidà miisa dimy no tsy manaiky ny vokatra havoakan’ny CENI na dia mbola vonjimaika aza. Samy ao amin’ny boriborintany fahefatra izy ireo ary niray feo tamin’ny alalan’ny fanambarana iombonana, ny amin’ny fisian’ny hosoka sy ny kolikoly tamin’ny fifidianana farany teo. Milaza fa manana porofo izy ireo ary tsy hanaiky ny zava-nitranga. 

MPAMPIANATRA FRAM ANY AMBOASARY ATSIMO

 

Misintona ny lakolosy fanairana ny mpampianatra FRAM any Amboasary Atsimo. Nilaza izy ireo fa efa hatramin’ny volana desambra tamin’ny taon-dasa no nandray karama farany ary misy amin’izy ireo koa no efa folo taona tsy lasa mpiasam-panjakana raikitra ihany. Lasa asa soa ny fampianarana any amin’iny faritra iny. Mandrahona ny hitokona izy ireo. 
# Tafiditra ao anatin’ny « grillage » izay fiarovana ny zaridaina eo Analakely ireo zaza sy tanora tsy manan-kialofana. Mila mijery maika izany ny kaominina satria efa maimbo valan-drano sahady ilay toerana no lasa toerana fiadivan’izy ireo. Manimba endrika tanteraka ny tanàna ny zava-miseho ary mila jeren’ny tompon’andraikitra haingana.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana