Dans la męme rubrique

Fiaram-panjakana nanararao-pahefana Voasazy avy hatrany ilay Tale

23/08/2019

Namoaka taratasy ofisialy fialan-tsiny omaly ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny Pr Rakotonirina Julio.

Fiaram-panjakana nanararao-pahefana Voasazy avy hatrany ilay Tale

Hamaky ny tohiny...

Lahatra Andriamahatsangy “Tena ilaina ny tanàn-dehibe vaovao saingy…”

23/08/2019

Tena ilaina ny fisian’ny tetikasa tanàn-dehibe. Ny fahitako azy amin’ny ankapobeny,

Lahatra Andriamahatsangy “Tena ilaina ny tanàn-dehibe vaovao saingy…”

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

22/08/2019

Hita tamina gazety mpiseho isan’andro iray omaly alarobia 21 aogositra ny antso tolo-bidy misokatra amina tsenan’asam-panjakana (Appel d’offre ouvert) mitondra ny laharana 003-DRAHTP/SRTP/BOENY/CP18/FER.2019.

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

Hamaky ny tohiny...

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly

22/08/2019

Mbola banga tanteraka ny toeran’ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA amin’izao, taorian’ny fanesorana an’Atoa Jaomiary Olivier, tale jeneraly teo aloha, taorian’ny filakenkevitry ny minisitra farany teo.

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly

Hamaky ny tohiny...

Soarano sy Behoririka Nodiovina ny tanĂ na, nakisaka ireo mpivarotra mibahan-dalana

22/08/2019

Araka ny vinan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana eo amin’ny fiarahamonina eto an-drenivohitra, izay “ soa iombonan’ny Malagasy”

Soarano sy Behoririka Nodiovina ny tanĂ na, nakisaka ireo mpivarotra mibahan-dalana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi

22/08/2019

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly maraina, ny ambasadaoro vaovaon’i Inde monina sy miasa eto amintsika, Atoa Abhay Kumar.

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

21/08/2019

Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly alatsinainy 20 aogositra tamin’ny 8 ora sy sasany alina Atoa Alain Ramaroson, rehefa notanana teny Antanimora nanomboka ny 3 aogositra 2016

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Fifandraisan-davitra Hisy fihatsarana hatramin`ny 2021

07/06/2019

Hisy fihatsarana ho an`ny 3 taona manaraka, raha ny tombana navoakan`ny Ways Guy Reports na eo amin`ny kalitao na eo amin`ny vidiny amin`ny sehatry ny fifandraisana.

 

 Manodidina ny 20 miliara dolara eo ny fampiasam-bola natokan`ny fanjakana sy ireo sehatra tsy miankina hanatrarana izany. Raha ny tatitra hatrany, nandray anjara betsaka tamin`ny fampitomboana fandaniana eo amin’ny tolotry ny fifandraisan-davitra ny fihatsaran`ny taham-pivoarana ara-toekarena, izay tafakatra 4,2% ho an`ny taona 2018. Manodidina ny 7,14 dolara ny saram-pifandraisana amin`ny alalan`ny aterineto eto Madagasikara amin`izao na dia maivana aza ny tolotra mifanaraka amin`izany. Azo eritreretina ny fidinan`io sarany io, araka ny fanadihadiana satria mihamaro sy mihahenjana ny fifaninanana misy eo amin`ny mpandraharaha lehibe mpiandraikitra tambajotra. Efa miomana amin`ny fanafoanana ny finday tsy misy laharana IMEI ihany koa ny sampandraharaha miandraikitra ny fampanarahan-dalàna ny fifandraisan-davitra (ARTEC) ka ny faran`ny volana jona izao ny fe-potoana farany napetraka mahakasika an`izay. Andrasana ihany koa ny fisokafan`ny foibem-pifanakalozana aterineto izay voalohany ampiasain`i Madagasikara na IPE amin`ny alalan`ny fahatongavan`ny “cable IOX” sy ny fantsona iray any ambanin’ny ranomasina, Metis sy ny Afrika One, izay handrakotra ireo toeran-kafa tsy mbola mahazo aterineto. Tetikasa vinavinaina ihany koa ny fanitarana 9 000 km ny tambajotra “Backbone” sy fanamafisana ny fampiasana “fibre optique”. Ny haba alaina amin`ireo tolotry ny fifandraisan-davitra ireo kosa dia hiakatra hatramin`ny 10% ao anatin`izay firoboroboan`ny sehatra haitao ara-kajy mirindra izay. I Madagasikara rahateo dia tsy afaka misaraka amin`ny firoboroboan`ny tontolo nomerika sy ny fifandraisan-davitra.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana