Dans la mme rubrique

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...

Voasoroka ny loza teny 67 HA Lehilahy nanolana tovolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

22/08/2019

Nitrangana fanolanana tovolahy iray teny amin’ny faritra 67ha afak’omaly atoandro. Lehilahy toa azy ihany koa ilay nanatanteraka ny asa ratsy.

Voasoroka ny loza teny 67 HA Lehilahy nanolana tovolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro tany Toamasina Tsy nahitana porofo ilay resaka karandoha

22/08/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpitandro filaminana nisahana ny fanadihadiana miady amin’ny heloka bevava ao Toamasina omaly.

Savorovoro tany Toamasina Tsy nahitana porofo ilay resaka karandoha

Hamaky ny tohiny...

Ambondromamy Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nidaroka ireo telo mianaka

21/08/2019

Ny iray tamin’ireo jiolahy efatra izay nandratra azy telo mianaka tao Ambondromamy no efa tra-tehaka, raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambondromamy.

Ambondromamy Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nidaroka ireo telo mianaka

Hamaky ny tohiny...

Mitaraina ny tompon’ny MPO Toamasina “Fampiasam-bola 6 tapitrisa dolara izao somparan’ny fanjakana izao”

21/08/2019

Mahatratra 07ha58a71Sa ny velaran’ity tany hanorenan’ny Madagascar Premium Oil (MPO) orinasa ao Tanandava ity.

Mitaraina ny tompon’ny MPO Toamasina “Fampiasam-bola 6 tapitrisa dolara izao somparan’ny fanjakana izao”

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina mameno ny tanàna Rongony 300 kg tra-tehaka tany Betroka

21/08/2019

Mihanaka be ny rongony. Andrasana ny fepetra hentitra hanafoanana ity loza mandondona ny firenena ity. Efa hitovy tsy misy valaka amin’ireo tany miady sy hanatanterahana trafikana zavamahadomelina i Madagasikara.

Zava-mahadomelina mameno ny tanàna Rongony 300 kg tra-tehaka tany Betroka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tsaradia - Air Madagascar Niverin-dalana ny sidina hihazo an’i Toliara

11/06/2019

Nanana olana ara-teknika ny zotram-piaramanidin’ny Air Madagascar avy eo Ivato hihazo an’i Toliara, ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 

 Niverina an-dalana ity zotra ana habakabaka ity fa tsy tonga tany amin’ny tanin’ny masoandro, raha ny loharanom-baovao azo antoka. Raha ny fanambaran’ireto farany hatrany araka ny tatitr’ireo mpandeha, efa 36 minitra taorian’ny fiaingana vao nitodi-doha nihazo ny seranam-piaramadina iraisam-pirenena Ivato indray ny sidina. Tsy afaka nipetraka avy hatrany anefa noho ny olana hafa ivelan’ny zotra izay heverina fa mety noho ny fitangoronan’ny rahona tamin’ny andro nanjombona ny faran’ny herinandro teo na koa ny tendrombohitra fa voatery  nihodina. Efa tsembo-dratsy sy velon-tahotra tanteraka ireo mpandeha. Noho ny fahaizan’ny mpanamory sy ny fitoniany ary ny hakingany, tafapetraka soamantsara ny voromby ary tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy. Raha nanontaniana ny mpandray findain’ny kaompania Air Madagascar mpikarakara mpandeha dia nilaza fa nisy tokoa io fanafoanana sidina io. Nasainy naka fanampim-

baovao misimisy kokoa tamin’ny Tsaradia izay mpiandraikitra ny zotram-pitaterana eto an-toerana. Saingy ny mpandrindra ny mpandeha ihany koa no tratra antso, noho ny andro tsy fiasana hatramin’ny omaly nanoratana ny vaovao. Nilaza izy fa ny mpiandraikitra ao amin’ny foibe na ny mpanamory no tena mahalala izany. Niezaka niantso an-tariby ireo manampahefana sy tompon’andraikitra teny amin’ny seranana ihany koa fa tsy nisy vaovao nipika. Tranga mety mpiseho ny toy izao fa mitoetra ho zava-dehibe amin’ireo mpandeha sy mpanara-baovao ny avotraina notanterahin’ireo mpanamory.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana