Dans la męme rubrique

RMDM

14/08/2019

Tafatsangana ankehitriny ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

RMDM

Hamaky ny tohiny...

Lova Ramisamanana

05/08/2019

Naneho ny hatezerany manoloana ny fiverenan’ny tandrevaka nisy hatrizay eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra ny filohan’ny fikambanana Alefa Barea, Lova Ramisamanana.

Lova Ramisamanana

Hamaky ny tohiny...

SAMBO TOJO OLANA

31/07/2019

Maty motera ary notsofin’ny rivotra mahery ny sambo iray antsoina hoe Joby. Nitatitra simenitra aman-jatony taonina izy io ary hikasa ny hihazo an’i Vohémar raha niala teo amin’ny nosy « Prunes ».

SAMBO TOJO OLANA

Hamaky ny tohiny...

NANDRIAKA NY RA

29/07/2019

Nandriaka ny ra tamin’iny faran’ny herinandro iny. Raha ny teo anivon’ny zandarimaria manokana dia efa tafiakatra maherin’ny efapolo ny isan’ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga.

NANDRIAKA NY RA

Hamaky ny tohiny...

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

23/07/2019

Mitombo hatrany ny fitohanan’ny fifamoivoizana vokatry ny tetikasa fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra.

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

Hamaky ny tohiny...

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

22/07/2019

Mbolalavitr'ezakatanterakanyfamantarana ny toetry ny andromalagasy. Novoizinamafynyhoe hilatsakahatranyamin'ny 0°C ny mari-pànamanombokaamin'ny 21 jolay.

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Hamaky ny tohiny...

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

11/06/2019

Mikorotan-tsaina tanteraka ny ray aman-dreny monina eny amin’ny manodidina an’Ambohibao sy Talatamaty ankehitriny.

 



Izany dia  noho ny nisian’ny hala-jaza tamin’ny talata lasa teo ary nahitana ilay zaza izay efa maty an-drano omaly. Tonga hatramin’ny fisavan’ny zandary ny tranon’ny olom-boafidy iray teny an-toerana rehefa voatondro molotra. Saika nodoran’ny olona hatramin’ny tranony noho ny honohono. Miandry ny fisamborana izay nahavanon-doza ny olona  ankehitriny.

 
FITAKIANA HAMERENANA NY FIFIDIANANA

Mbola misy mitsangana mitaky ny hamerenana ny fifidianana  farany teo ihany ireo fikambanana sy mpanao politika. Ao anatin’izany ny fikambanana  nanohana ny IRD izay resy tany Betroka. Voalazan’izy ireo fa nangala-bato ilay kandida nandresy ka tsy eken’izy ireo. Nahagaga ny maro tokoa ny hoe  vovonana  mpanohana ny fitondrana indray no mitaky ny  hamerenana ny fifidianana tahaka izao.

HO ANY IVELANY INDRAY RAJOELINA

Handeha ho any ivelany indray ny filohan’ny Repoblika amin’ity herinandro ity. Nahazo fanasana hanatrika ny fihaonana momba ny asa avy amin’ny OIT ny filoha sy ny delegasionina izay hiaraka aminy. Hita tokoa fa dia tsy mitsitsy mihitsy ny mpitondra fa dia mandeha any ivelany foana rehefa misy ny fanasana hatao amin’ny fitondrana. Filoha tia misehoseho ary hatreto dia mifanohitra tanteraka ny hoe politikam-pitsitsiana sy ny zava-misy hataony, raha oharina amin’ny fivoahana isaky ny mandeha miaraka amin’ny delegasiona marobe. 

TVM

Tsy misy afa-tsy ny televiziona nasionaly ihany no afaka ny mandefa ny lalaon’ny CAN izay hataon’ny Barea. Ho voasazy arak’izany ny haino aman-jery tsy miankina raha toa ka maka ny sarin’ny olona dia  alefa amin’ny fahitalavitrany mandritry ny lalao izay hataon’ny malagasy. Isan’izany koa ireo orinasa mpampanofa fahitalavitra azo amin’ny satelita (Canalsat, Parabole, Startimes) izay tsy eken’ny fanjakana ny handefasan’ireo ny lalaon’ny Barea izany. 

FILAHARAM-BE ENY AMBOHIDAHY

Miverina indray ny filaharam-be etsy amin’ny sampana  mpanome laharan’ny fiarakodia sy moto etsy Ambohidahy. Vao maraina dia efa tonga maro ny olona ny hanolo ny taratasy fahazoana mamily fiarakodia na koa ny karatra volon-davenona.. Voafetra eo amin’ny efapolo ihany anefa no raisina ary hasaina miverina fotsiny izay aorian’izay kanefa amin’ny dimy maraina dia efa misy ny olona  tonga milahatra. Mila fandaminana indray mba tsy hisian’ny olana toa ny tany aloha. 

FENO BAR ANTANANARIVO

Feno « bar » ny renivohitra. Asa izay loatra ny mpanome alàlana hahafahana mivaro-toaka eto amintsika fa ny tsikaritra dia isaky ny kihon-dàlana dia efa misy bar izay. Indrindra koa any amin’ireo ambany tanàna izay be olona sy tery ny làlana kanefa dia  feno olona mamo mifamezivezy eny amin’ny arabe. Hatreto dia toa mahazo mora foana ny « licence » momba izany izay mikasa ny hanokatra toeram-pivarotana toaka. Ny oniversite indray aza no hasaina mikisaka fa tsy ny bar no akatona, raha jerena amin’ny lalàna vaovao izay navoakan’ny minisitera mpiahy ny fampianarana ambony. Hafakely.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana