Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitrandrahana harena ankibon’ny tany Mikononkonon-javatra Rajoelina sy ny Frantsay ?

13/06/2019

Eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nanomboka ny 6 jona ny didy hitsivolana n°2019-009 manova ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna n°99-012 tamin’ny 19 aogositra 1999 mahakasika ny harena ankibon’ny tany na ny « code minier ».

 

 

 

 

Miandry ny fandinihana sy fankatoavan’ny HCC izy io. Tsy fantatra mazava izay fanitsiana sy fikitihana nataon’ny fanjakana. Fotoana vitsy nialoha io, ny 31 mey tany amin’ny Muséum National d'Histoire Naturelle, Paris, no nanolaran’ny BRGM (Bureau de Recherche Géologique et Minière) tamin’i Andry Rajoelina ny (BRGM)  ny vokatry ny asa fikarohana sy firaketana rehetra nataony nandritra ny 50 taona mahery, izay mirakitra ireo torohay sy firaketana rehetra momba ny toe-tany sy ny harena ankibon’ny tany Malagasy. Toa nireharehan’ny filoha sy ny ekipany fa izy ireo no fanjakana azo itokisana ka nomena ny dosie momba ny harena izay ny Frantsay izany no mahalala kokoa noho ny Malagasy. Inona no tambin’ilay fanomezana ny antontan-kevitra ? Sao kosa izy ireo no azo hanaovana kopaka isasahana ? Tsy tongatonga ho azy ny fikitihan’ny fanjakana ny lalàna momba ny harena ankibon’ny tany fa mifanjohy ireo. Azo ny voka-pikarohana, ka mety hisy izany ny fitrandrahana mety hiaraha-miketrika amin’ny Frantsay. Ny 8 martsa 2018 tany Ambilobe rahateo, ohatra, dia nanipy teny momba ny fisian’ny orinasa 6 matanjaka eto ambonin’ny tany amin’ny fitrandrahana volamena ny filoha. Amboarina ny RN5A (Ambilobe-Vohémar), hoy izy.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana