Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana tany Soanierana Ivongo Nandika lalàna Rajoelina sy ny IRD, hoy Rasomotra

13/06/2019

Nanamafy ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ny kandidan’ny TIM tao Soanierana Ivoko Mananjara Fidison na Rasomotra.

 

 Nampiseho ny porofo fa tena nisy ny fitanilan’ny filoham-pirenena izay nidina ifotony tany an-toerana nanohana ankolaka ny kandidan’ny IRD ny 21 mey, tao anatin’ny fotoanan’ny propagandy. Nisy ny raharaham-pitokanana vatofehizona fotodrafitrasa ambara fa hatao. Ny kandida mpisolo toerana na ny “suppléant” Atoa Lemena Jeanné Afrique, dia nanao samboady amin’ny maha ben’ny tanàna nandritra io fotoana io, izay nisian’ny fandraisam-pitenenan’ny filoha. Mbola ben’ny tanàna ihany, kanefa efa tokony hitsahatra. Misy ny horonam-peo mazava notehirizin-dRasomotra sy ny ekipany tamin’ny kabarin-dRajoelina nivoy fa hanongana azy ny kandida mpanohitra raha maro an’isa, ka fantatry ny vahoaka ny tokony hatao sy hofidiana sy afaka hiara-kiasa amin’ny filoha. Nisy fiantraikany tamin’ny voka-pifidianana io fihetsiky ny filoha io, raha ny nambaran’ity kandidan’ny TIM ity izay namotsipotsitra ny fandikan-dalàna tsy tokony havela amin’izao fotsiny.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana