Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Vaky fasana teto Antananarivo Mpangalatra taolam-paty 8 voasambotra

13/06/2019

Nandritra ny fanadihadian’ny zandary tamin’ireo mpamaky fasana tany Ambohibary Manjakandriana no nahalalana fa izy ireo no namaky ny fasana maro manodidina an'Antananarivo sy Manjakandrina, Andriampamaky, Talatavolonondry,

 

 

 

 

 Ambohimangarova Avaratra, Antsefahy, Andoharanofotsy, Ankadivoribe, Ambohibary ary Antsirabe sy ny maro hafa. Tsahivina fa ny alatsinainy 3 jona  tamin’ny valo ora alina dia naharay tatitra ny  zandary tao Manjakandriana fa misy olona mihaodihaody  eny Ambohibary. Ny ampitso maraina tamin’ny 8 ora dia nisy nahatsikaritra olona roa nampiahiahy ka niantso ny zandary. Tratra teo Bevava  ireo lehilahy roa nikasa ny hihazo an'Antananarivo. Rehefa nosavaina izy ireo dia nikasa ny hamoaka antsy tao anaty sakaosy. Nosamborina ka tra-tehaka ny fitaovana vy maromaro sy “barre-pince, barre mine” ary vola tsangan'olona izay famakiany fasana. Ny talata 4 jona, nitatitra ny olona tao Ambohibary fa nisy fasana roa vaky ka niaiky izy roalahy ho nanatanteraka izany. Nosavaina ny tranon'izy ireo ka nisy olona iray hafa ihany koa mpiray tsikombakomba. Rehefa nohadihadiana io, nilaza anaran’olona roa hafa koa izay namany. Rehefa nampahafantarina an'ireo roalahy voalohany izany dia nanamafy izy ireo fa efa npiaraka taminy daholo  ireo, ary mbola nanonona olona roa hafa ihany koa izy. Efa natolotra ny fitsarana ireo olona ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika avokoa. Mbola andrasana hatreto ny ilana ny taolam-paty.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana