Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Raharaha kidnapping Miarinarivo Nisandoka ho zanaka tany amin’ny sisiny ilay mpaka an-keriny

13/06/2019

Nisoloky ho zanak’ilay raim-pianakaviana ivelan’ny tokantrano ilay mpaka takalon’aina zaza kely tao Soavinandriana.

 

 

 

 Raha ny loharanom-baovao azo antoka, efa maty ny tena rainy fa tsy io raim-pianakaviana izay nanaiky nitoerany herintaona io. Asa koa moa na betsaka ny “zanaka am-pielezana” dia tsy hay nanavaka izany na hain’ilay tovolahy ny tantara taloha. Nilaza ny mpitandro filaminana iray omaly fa efa nalefa any amin’ny fitsarana Miarinarivo ireo telo mihaotra voarohirohy. Ilay  mody zokiny lahy izay nilaza ho  iray ray tamin’ilay zaza lasibatra sy ny vadiny ary ny rahavavin’ny vadiny  niray tsikombakomba no tratra tany Andilamena. Tsiahivina fa nisy fankana an-keriny nitranga ny 24 mey teo tany Soavinandriana Itasy ka zazalahikely 3 taona no nalaina mpivady. Ny 25 mey, nangataka vola 10.000.000 ariary izy ireo. Ny 28 mey 2019 dia nandefa 1.000.000 ariary ny ray aman-drenin’ilay zaza mba nentina ahafantarana ny toerana andraisany vola amin’ny finday. Ka fantatra fa teny Ivandry no toerana misy azy ireo. Ny 3 jona, nisy laharana finday hafa koa niantsoany hangalana vola avy any Andilamena. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny polisy nisambotra azy mivady ireo sy nitondra ilay ankizy nalaina an-keriny. Voarohirohy koa ny zandrin’ilay vehivavy. Salama tsy naratra ilay zaza.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana