Dans la mme rubrique

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »

13/09/2019

Antoko manana solombavambahoaka voafidy eny amin’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny ny GJMP « Groupement des jeunes Malgaches Patriotiques” tarihako, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas.

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an’i Tanjombato “Rallye vaovao ataoko io”, hoy i Tovonen

13/09/2019

Tontosa omaly tetsy amin’ny OVEC 67Ha ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben’ny tanànan’i Tovo Rakotojohary, fantatry ny rehetra eo amin’ny tontolon’ny hazakaza-piarakodia na Rallye amin’ny fiantsoana hoe Tovonen.

Fampandrosoana an’i Tanjombato “Rallye vaovao ataoko io”, hoy i Tovonen

Hamaky ny tohiny...

Kandidan’ny TIM eny Antehiroka Vonon-kandresy Rajaonera Samy sy ny ekipany

13/09/2019

Kandida ben’ny tanàna eny amin’ny kaominina Antehiroka amin’ny anaran’ny antoko TIM Atoa Rajaonera Samy Andrianavalomalala. Tafapetraka teny amin'ny OVEC ny alarobia 11 septambra teo ny taratasy filatsahan-kofidiana miaraka amin’ireo lisitry ny mpanolotsaina TIM miara-dia aminy.

Kandidan’ny TIM eny Antehiroka Vonon-kandresy Rajaonera Samy sy ny ekipany

Hamaky ny tohiny...

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely

13/09/2019

Nitohy tamin’ny alalan’ny fanaovana didimpoitra maimaimpoana, ny fanaovana asa sosialy efa fanaon’ny antoko Tiako I Madagasikara, eny Ambohimangakely hatramin’izay.

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Kandida tsy nampoizina ny an’ny TIM sy IRD

13/09/2019

Niova endrika tanteraka ny tontolo politika ho amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra. Olona tsy mbola re firy tamin’ny politika no natolotry ny antoko 2 sokajiana ho goavana ho kandida ben’ny tanàna dia i Tahiry Ny Rina Randriamasinoro

Antananarivo Renivohitra Kandida tsy nampoizina ny an’ny TIM sy IRD

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna

13/09/2019

Kaominina 560 amin’ny 1695 manerana an’i Madagasikara no tsy misy kandida, kaominina 1369 nahitana lisitra kandida mpanolotsaina fotsiny; ny any ambanivohitra no tena tsy narisika ireo kandida.

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

14/06/2019

Tokony hohamafisana ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina momba ny fanajana fitsipika sy fahaiza-miaina, hoy Atoa Ramboasalama Emilien, kandida depioten’ny TIM teny amin’ny boriborintany fahefatra.

 

 Nahitsy ny teniny ary nilaza  fa : “isika Malagasy dia tompondaka amin`ny tsy fanarahana lalàna. Fantatra fa misy lalàna mifehy io fa arakaraka ny hitenenana an`izany dia vao mainka mifanohitra amin’ny zava-misy. Mahakasika ny fandrindrana ny posy sy ny sarety, teboka telo no tsy maintsy apetraka raha ny heviny. Tsy maintsy voriana ireo tompom-posy sy sarety,manatanteraka fanisana faobe satria mitombo isan`andro ny isan`izy ireo. Tokony hasiana taratasy fanamarihana na “carte grise”. Farany, tokony hobeazina tsy hanao gaboraraka fa zarina hanaraka ny lalàn`ny fifamoivoizana. Tokony hisy lalàna mifehy ny posy sy ny sarety ka miainga avy amin`ny kaominina izany mba tsy hahafahan`izy ireo manao izay saim-patany. Iaraha mahalala fa olona sahirana ny ankamaroan`izy ireo fa kosa tsy azo avela hanararaotra izay fahantrana izay satria fa tsy maintsy jerena ny fiarahamonina. Raha tsy avela hitarika posy sy sarety ihany koa izy ireo anefa dia sao lasa hangalatra ka ahiana ny tsy fandriampahalemana.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana