Dans la męme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

LalĂ na Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

LalĂ na Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Vokatra vonjimaika Niaiky ireo lesoka sy halabato ny CENI

17/06/2019

Akon` ny fifidiananana sy fikirakirana ny voka-pifidianana no tena nibahana nandritra ny fanambarana ny voka-pifidianana vonjimaika avy amin` ny CENI ny sabotsy lasa teo.

Tsikaritra fa maro ireo lesoka tamin` ny fifidianana solombavambahoaka ary maro ireo tsy fahatomombonana, misy ny tranga izay efa azo sokajiana mihitsy fa nisiana halabato.

Tranga maro be

 Nahitana izany tranga izany tany Toliara II, Soalala ary Marovoay. Ankoatra ireo, betsaka ireo kandidà nangataka fampitahana an-tsoratra saingy 11 ihany no nahafeno ny fepetra tamin` ireo kandidà 17.  Tsy nandefa ny taratasy fanitsiana nangatahina izay tokony nateriny ireo kandidà izay nagataka fampitahana ireo sady tsy feno ihany koa ny porofo. 487 ireo fangatahana fampitahana an-tsoratra neken` ny CENI ary notanisainy nandritra ny famoahana ny vokatra. Voamarina ny antony fangatahana an-tsoratra avy ireo faritra ireo ka nomen` ny CENI alalana hanatanteraka amin` izany. Raha ny tatitra, birao fandatsaham-bato iray tany Tsihombe niaiky ny hadisoany tamin` ny famenoana vata fandatsaham-bato satria tsy nitovy ny isan` ny mpifidy sy vato tao anatin` ny fandatsaham-bato. Tao Ambositra, nisy ny fahifahiana tamin` ny hosoka. Ankoatr` izay, birao pifidianana tao Ambilobe sy tany Ifanadiana no tsy nahatonga ny fitanana an-tsoratra tamin` ny fifidianana solombavambahoaka vokatry ny tsy fandriampahalemana. Biraom-pifidianana telo ihany koa no tsy nisy raharaham-pifidianana noho izay antony izay voafaritra mazava ao anatin` ny fitananana an-tsoratra nalefan` izy ireo tany amin` ny rantsamangaikany vaomieram-pifidianana : distrika Mampikony, Ambovombe Androy ary Maintirano. Niteraka fahasimbam-bokatra ihany koa ny  fahamaizan` ny birao fandatsahambato miisa 60 tao Toliara ny 30 mey lasa teo. Foana  ny fitananana an-tsoratra nataon` izy ireo ary tsy tonga teny amin` ny CENI. Tsy manana fahefana hanarenana ireny ny CENI fa mametraka ny fahefana amin` ny fitsarana mahefa. Manana 48 ora ireo kandidà hametraka fitoriana mahakasika ny vokatra tsy feno eny amin`ny HCC. Anjaran` ny CENI sy ny HCC no mitrandraka ny fitananan an-tsoratra sy voka-pifidianana araka ny nambaran` ny CENI. Niaiky izany ny CENI fa tena nisy ny hala-bato tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka farany teo. Ny tena mahagaga anefa dia tsy mba nisy ny fepetra noraisina mba hisorohana izany  fa dia nihanjahanja tanteraka tany amin’ny biraom-pifidianana sasany. Tsy ampy ary tsy ampiharina akory ny sazy ho an’ireo izay tratra nanao hala-bato ka  mahatonga izany mbola misy hatramin’izao

 

Toy izao fitsinjarana ny toerana eny amin` ny Antenimieram-pirenena arak’ity vokatra vonjimaika avy amin` ny CENI ity: IRD manana seza 84, TIM nahazo toerana 16, 46 kosa ho an` ny tsy miankina ary 5 ho an` ny antoko hafa.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana