Dans la mme rubrique

Tsy avela hilatsaka an-davaka

13/08/2019

Antananarivo , an'ny Malagasy tsy an-kanavaka Renivohitr'i Gasikara, ka tsy azo avela hilatsaka an-davaka Mahasaropiaro antsika ka mila olona mahay mitantana Ben'ny tanàna tanora sady tia tanindrazana.

Tsy avela hilatsaka an-davaka

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Mankahery hatrany eee !

08/08/2019

Miarahaba anao indray aho ry Jean ! Mangingina ny aty fa ny any aminao any izao no tsy haiko.

Taratasin’i Jean Mankahery hatrany eee !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Aoka tsy ho jamba !

05/08/2019

Eeeh ! Jean a ! Mba henoy ihany ny akama nahatafita na dia tsy omenao toerana aza.

Taratasin’i Jean Aoka tsy ho jamba !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Alefa indray ary e !

23/07/2019

Tsy maninona fa raketo indray ary aloha ry Jean a ! Alefa indray ary e ! Hitako ohatry ny mba efa miakatrakatra indray mantsy.

Taratasin’i Jean Alefa indray ary e !

Hamaky ny tohiny...

Mahereza e !

19/07/2019

Tsy mihomehy loza aho ry Jean fa mba raharaha koa iny nahazo anao iny a ! Hay ve ka efa nitsidika an’ilay birao ianao ka mba efa nanantena hahazo ilay seza kinanjo….

Mahereza e !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Da fetibe da fetibe !

18/07/2019

Da fetibe da fetibe ! Tadidinareo ve iny vazo iny ry Jean ? Faly mihitsy aho rangahy miarahaba anareo fa ankevitry ny ho

Taratasin’i Jean Da fetibe da fetibe !

Hamaky ny tohiny...

Zavatra tsy vita amin’izao dia efa eeee….

17/07/2019

Tena hafa, tsy fahita tato anatin’ny 59 taona marina ry jean iny nataonareo teny an-dapa iny a.

Zavatra tsy vita amin’izao dia efa eeee….

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Mba mihainoa, hoy aho !

17/06/2019

Manakory ianao ry Jean ! Mafy ianareo. Miaiky aho izay. Iza tamin’ireo nodimbiasanareo ireo no ataonao filamatra amin’izao

fotoana izao io fa dia miteny anao aho aloha hoe ilay vahoaka entinao anie ka efa miha miova andro aman’alina e ! Raha haka tahaka ny fikan’i dadabe ianao dia lazaiko anao fa ny olona tamin’izany mpisolelaka be daholo dia mora jonoina ny ankamaroany. Izaho aloha tsy mino fa ny teti-dRaprofy io ataonao filamatra io e ! Hitako te haka ny fom-bahoaka mba hitiavany anareo toy ny hitiavany an’i Beronono koa anefa ianareo saingy ny valala sy lolo, hono, tsy fampitaha. Ny olona efa ampy traikefa tsy hanaotao foana sy bemarenina ohatra anao izao. Mba mihainoa ihany hoy aho ! Io kisambotsambotra sy katokatona io ihany anie no efa nahavoa ny teo aloha e !

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana