Dans la męme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tsy fahasalamana an-tsekoly tao Antsirabe Mpianatra nahiana namono tena no nampiakatra fitsarana ireo mpanabe

17/06/2019

Ny fiheverana fa tsy fandraisana andraikitry ny talen-tsekoly iray tao Antsirabe no nampiakarana fitsarana azy sy ireo mpiara-miasa aminy,

 

 

 

araka ny fitorian’ny fianakavian’ny mpianatra iray namono tena. Ny ampitson’ny fetin’ny mpifankatia teo, nisy zazavavy 12 taona narary tao am-pianarana ka nitambotsotra tampoka ary voatatin’ny mpampianatra azy. Nifanampy nitondra azy tany amin’ny hopitaly ilay mpampianatra, ny namany, ny talen-tsekoly, ny mpiambina sy ny dadatoan’ilay tsy salama ary ny zokiny vavy 14 taona. Ny rainy kosa efa maty ary ny reniny taty an-drenivohitra. Mpiambina iray ihany anefa no ilaina araka ny toromariky ny mpitsabo ka ny dadatoany sisa niandry marary. Tsy tana anefa ny ain’ilay mpianatra ny ampitso sabotsy maraina tamin’ny dimy ora. Nandeha nitsapa alahelo ny tale mivady sy ny mpampianatra ary ny solontenan’ny ray aman-dreny. Voatoroka ho tsy nandray andraikitra ireo ankohonam-panabeazana ka niakatra fitsarana ny 10 mey saingy tsy nazava ny taratasin’ny mpitsabo ka nahemotra ny 7 jona teo indray, nefa nalefa nody noho ny fisalasalana. Ny tale izay voapanga ho tsy nandray andraikitra sy ny mpampianatra iray izay voarohirohy namoaka ny fiheverana ho famonoan-tena tamin’ny tambajotran-tserasera sisa tratra farany notorian’ny fianakavian’ny lasibatra. Ireo mpianatra telo nijoro vavolombelona tamin’ny fanadihadian’ny polisy, notronin’ny ray aman-dreniny nilaza fa voatantin’ny mpanabe ilay nitolefika tao am-pianarana, ary niteny ity farany fa hanaraka ny dadany izay efa maty ka nihinana vaingam-panafody. Ny 9 jolay izao ny fotoam-pitsarana.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana