Dans la mme rubrique

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »

13/09/2019

Antoko manana solombavambahoaka voafidy eny amin’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny ny GJMP « Groupement des jeunes Malgaches Patriotiques” tarihako, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas.

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an’i Tanjombato “Rallye vaovao ataoko io”, hoy i Tovonen

13/09/2019

Tontosa omaly tetsy amin’ny OVEC 67Ha ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben’ny tanànan’i Tovo Rakotojohary, fantatry ny rehetra eo amin’ny tontolon’ny hazakaza-piarakodia na Rallye amin’ny fiantsoana hoe Tovonen.

Fampandrosoana an’i Tanjombato “Rallye vaovao ataoko io”, hoy i Tovonen

Hamaky ny tohiny...

Kandidan’ny TIM eny Antehiroka Vonon-kandresy Rajaonera Samy sy ny ekipany

13/09/2019

Kandida ben’ny tanàna eny amin’ny kaominina Antehiroka amin’ny anaran’ny antoko TIM Atoa Rajaonera Samy Andrianavalomalala. Tafapetraka teny amin'ny OVEC ny alarobia 11 septambra teo ny taratasy filatsahan-kofidiana miaraka amin’ireo lisitry ny mpanolotsaina TIM miara-dia aminy.

Kandidan’ny TIM eny Antehiroka Vonon-kandresy Rajaonera Samy sy ny ekipany

Hamaky ny tohiny...

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely

13/09/2019

Nitohy tamin’ny alalan’ny fanaovana didimpoitra maimaimpoana, ny fanaovana asa sosialy efa fanaon’ny antoko Tiako I Madagasikara, eny Ambohimangakely hatramin’izay.

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Kandida tsy nampoizina ny an’ny TIM sy IRD

13/09/2019

Niova endrika tanteraka ny tontolo politika ho amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra. Olona tsy mbola re firy tamin’ny politika no natolotry ny antoko 2 sokajiana ho goavana ho kandida ben’ny tanàna dia i Tahiry Ny Rina Randriamasinoro

Antananarivo Renivohitra Kandida tsy nampoizina ny an’ny TIM sy IRD

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna

13/09/2019

Kaominina 560 amin’ny 1695 manerana an’i Madagasikara no tsy misy kandida, kaominina 1369 nahitana lisitra kandida mpanolotsaina fotsiny; ny any ambanivohitra no tena tsy narisika ireo kandida.

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fandaniana volam-panjakana Mamahan-dalitra vahoaka ny mpitondra

18/06/2019

Ny vavan’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy no nilaza rehefa nandeha ny kiana tamin’ny fandaniam-bola be nataon’ny mpitondra tamin’ny dian’ny filoha tany Sénégal ny volana martsa,

 

 

 fa ny mpampiantrano no miantoka ny lany amin’ny maha vahiny manokana sy manan-kaja an-dRajoelina, eny fa hatramin’ny fiaramanidina aza. Hatrany amin’ny 12 000 Euros (48 000 000Ar) ny hofan’ny fiaramanidina tamin’ireny ka ny Malagasy izany no hamoaka vola sy hiantoka ny fampiantranoana rehetra amin’ny fahatongavan’ny filohan’i Rwanda Paul Kagame eto araka ny raikipohin-dRamatoa minisitra ? Serasera mipoapoaka hakana fom-bahoaka sy hanakonana ny filibana toy ilay dia tany Frantsa nanofana hotely 25 tapitrisa isaky ny iray alina tany Frantsa ny fanafoanana ny fiaraha-misakafo eny Iavoloha. Ny karaman’ireo mpiasa tsy raikitra (ECD) eny amin’ny minisitera, efa 6 volana tsy nandray karama. Nahita vola 500 000 Euros (2 000 000 000 Ar) anefa ny fanjakana mba hampitana mivantana ny lalaon’ny CAN 2019, izay nambara fa volam-bahoaka. Misy vola ihany izany ao fa ireo mpiasa kosa ampandeferina sy tsy raharahiana ? Sa kosa loharanom-bola hafa mihitsy no nipoiran’ilay 500 000 Euros fa ny mpitondra no miezaka mamahan-dalitra ny vahoaka ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana