Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana Iavoloha Telo naratra mafy, fiara efatra nifandona

19/06/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo Iavoloha, omaly talata 19 jona tolakandro. Fiara kely marika « peugeot 206 » no nirifatra nihazo ny lalam-pirenena faha-7, teo akaikin’ny fiolahana ahitana ny tobin-dasantsy tsy lavitra ny Lapam-panjakana.

 

Nifatratra tamin’ireo fiara anaty fitohanana ity fiara madinika ity ka naratra ireo olona telo tao anatiny. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary izay nanatanteraka ny fanadihadiana, tsy mbola voafaritra ny antony tsy nety nampijanona io fiarakodia io raha nahita ireo fitohanana. Notrongisiny avy aty aoriana ilay fiara mpitatitra marika « Sprinter ». Nisy ny naratra tao amin’io saingy raha ny loharanom-baovao teny an-toerana tsy dia voa be ireo mpandeha tao. Io fiara taksibrosy io kosa indray nitrongy fiara teo alohany ary ity farany mbola nitevika ny faran’ny fiara hafa ka efatra ireo fiarakodia nifandona, nifampitrongy. Ny fiara kely“Peugeot 206” izay nirifatra tamin’ny hafainganam-pandeha mahafaty sy ilay fiara taksibrosy Mercedes Spinter no tena voa mafy. Marihina fa samy nianatsimo loha hihazo ny  lalam-pirenena fahafito izay mifandray amin’ny By-pass ireo fiarakodia efatra  tra-doza ireo. Nentina teo amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha ireo tra-doza ka efa manezaka araka izay ho afany ny mpitsabo.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana