Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ampamoaka nahakasika ny IEM Hogadraina i Mahery Lanto Manandafy ?

20/06/2019

Anio amin’ny 8 ora maraina eny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fahatelo ny fitsarana ny raharaha nitorian-dRabaonarijaona Holijaona an’i Mahery Lanto Manandafy (MLM).

 

 

Ampamoaka tao amin’ny tambajotran-tserasera tamin’ny 7 mey 2019 no niantombohan’ny resaka, nilazan’i MLM fa mpisoloky i Holijaona Rabaonarijaona izay nivarotra ny tetikasa IEM tamin-dRajoelina. Izy no fototry ny fionganan’ny Profesora Zafy Albert,…  Tale Jeneraly lefitry ny Flamco tamin’ny taona 1994, izay fisolokiana goavana  nakana vola in-telo nisesy manodidina ny 3.4 tapitrisa dolara tao amin’ny BTM (Bankin’ny Tantsaha Mpamaokatra), ka 10,2 tapitrisa tsy nisy antoka mazava. Mety ho toy izay ihay koa ny IEM avy amin-dRabaonarijaona, raha halalinina ny hevitr’i MLM; Niantso ny filoha ankehitriny ho mailo amin’ireo mpiara-misa aminy moa i MLM tamin’io. Toa mampiteny olona kosa ny mpitory, ka  nilaza omaly ny Fikambanana Cartel tarihin’ny mpisolovava Razanatahiana Florence fa eken’ny mpamatsy vola sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny IEM koa maninona no lazaina fa fisolokiana ? Nambarany fa fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena sy fanalam-baraka ny an’i MLM. Nolazaina ihany koa fa mpikarama an’adin’ny mpandraharahan’ny solika te hiaro ny tombotsoany sy te hametraka lalàna mifehy ny vidin-tsolika amin’ny tsena iraisam-pirenena i MLM. Raha ny fahitana io fanambarana io, dia ezahina halentika sy hogadraina i MLM. Matoa anefa sahy  mamoaka zavatra tahaka ireny, dia mahalala zavatra sy tsiambaratelo.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana