Dans la mme rubrique

VOADONAM-PITIAVANA Noboriany ny filahiny fa tsy mety mahazo vehivavy izy

16/08/2019

“Samy vita”, hoy ny tenin-jatovo manerana an’Anosikely afak’omaly, tamin’ny fehezan-teny fandrabirabiana filaza amin’ny fora zaza. Raha ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny mpiandraikitra

VOADONAM-PITIAVANA Noboriany ny filahiny fa tsy mety mahazo vehivavy izy

Hamaky ny tohiny...

Ankazomanga-Tsaramasay Anio maraina vao mety hiverina ny jiro

16/08/2019

Niaina tao anaty haizina tanteraka ny mponina teny Ankazomanga sy Tsaramasay nanomboka ny talata lasa teo, ary efa nisy ny mponina naneho ny fahasosorany ka nandoro kodiarana teny an’arabe.

Ankazomanga-Tsaramasay Anio maraina vao mety hiverina ny jiro

Hamaky ny tohiny...

Ronono miditra eto an-drenivohitra Mety hisy fitiliana tampoka eny an-dalana

16/08/2019

Niharatsy ny kalitaon’ny ronono avy any amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Ronono miditra eto an-drenivohitra Mety hisy fitiliana tampoka eny an-dalana

Hamaky ny tohiny...

Jerry Rakotoarijaona « Ny mpanohitra no tena mpanolotsaina ny filoham-pirenena ! »

14/08/2019

Efa misy ny dingana atao ankehitriny eny anivon’ny antenimieram-pirenena sy teny amin’ny Carlton Anosy mba hametrahana ny tena atao hoe fanoherana, hoy ny filohan’ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso na VAR,

Jerry Rakotoarijaona « Ny mpanohitra no tena mpanolotsaina ny filoham-pirenena ! »

Hamaky ny tohiny...

Olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo Hovahana amin’ny alalan’ny kamio “citerne”

14/08/2019

Tsy mitsahatra ny mikaro-kevitra hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ny mpitantana ny orinasa JIRAMA.

Olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo Hovahana amin’ny alalan’ny kamio “citerne”

Hamaky ny tohiny...

Fijininihan-dra lava na hemophilie 150 no fantatra fa voany eto Madagasikara

14/08/2019

Aretina tsy fantatra raha tsy amin’ny alalan’ny fitiliana ra irery ihany ny fijininihan-dra lava na ny “hemophilie”.

Fijininihan-dra lava na hemophilie 150 no fantatra fa voany eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Manarintsoa Isotry Hita ihany ilay zaza 9 taona nitsoaka

14/08/2019

Zazalahy kely vao sivy taona monja Rakotomalala Iandraina. Very tsy hita ity tovolahy kely ity afak’omaly hariva rehefa nilalao teo an-tokotany ka nirahina.

Manarintsoa Isotry Hita ihany ilay zaza 9 taona nitsoaka

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

MINFOP – CNaPS tany Moramanga Tsy maintsy ampidirina CNaPS ny mpiasa Malagasy

21/06/2019

Mbola maro ny fisalasalana sy ahiahy manodidina ny fidirana ho mpikambana amin’ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara.

 

 Ny mpiasa mihevitra fa mampihena ny miditra am-paosiny izany. Ny mpampiasa mifaly fa zara aza ny vola tsy mivoaka ny kaonty. Ho fanalana ny hevi-diso indrindra no anton’ny fidinana ifotony ataon’ny minisiteran’ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy miaraka amin’ny tahirim-pirenena misahana ny Fiahiana ara-tsosialy na CNaPS. Fototra nanamafy izany ny fanapahan-kevitra nivoaka taorian’ny fivorian’ny minisitra ny 3 mey lasa teo milaza fa tsy maintsy ampiharana ny asa mendrika sy ny asa mahavelona eto amin’ny tany sy fanjakana Malagasy. Ho an’ny distrika Moramanga, faritra Alaotra-Mangoro dia nanomboka ny herinandro lasa teo ny fanentanana nataon’ny « task force ». Andasibe, Marozevo sy Moramanga no nisantarana ny fidinana ifotony nandritra ny telo andro. Fiaraha-misalahy nahafahana namelabelatra ny zo fototra tsy maintsy omena ny mpiasa sy ny adidin’ny mpampiasa manolona izany. Voailika ny fisalasalana nandritra ny fandondonam-baravarana ireo orinasa misehatra amin’ny fandraisam-bahiny, sekoly tsy mbola nampiditra ny mpiasa amin’ny fiahiana ara-tsosialy. Nahatratra 166 ireo mpiasa nentanina tamina orinasa 24 notsidihina. Samy resy lahatra ny rehetra fa ilaina ny volan’ny bevohoka, vola lany amin’ny fiterahana, volan’ny mpitaiza kely, volan-jaza sy ireo fanampiana ara-bola hafa avy amin’ny CNaPS, indrindra ny vola fandray rehefa misotro ronono. Marihina fa nomena 20 andro aorian’izao fihaonana tamin’ny telo tonta izao ireo orinasa voaentana hanatona ny masoivohon’ny CNaPS ao Moramanga Renivohitra.

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana