Dans la męme rubrique

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

16/08/2019

Fampanantenana tanin'orinasa manana taratasy ara-dalana hozarain'ny olom-boafidy, nandritra ny fampielazan-kevitra no fototr'olana.

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

16/08/2019

Vory lanona nankalaza ny fetim-pireneny teny amin'ny toeram-ponenan'ny Masoivohon'ny firenena Indianina ireo teratany avy amin'ity firenena ity, omaly tontolo andro.

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

14/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny zoma alina teo, sahabo ho tamin’ny 9 ora mahery, tamin’ny faritra Ankazobe.

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

Hamaky ny tohiny...

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

14/08/2019

Tra-tehaky ny polisy ny mpamatsy basy vita gasy ny faritra Atsimon’ny Nosy. Ny 11 aogositra 2019 lasa teo tany Tsimenatra II, Toliara , lehilahy iray, 26 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny «Force d’intervention de Police »

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

Hamaky ny tohiny...

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

14/08/2019

Tra-tehaka tao amin'ny kaominina Kiangara ny atidoha nikotrika ny famonoana ilay mpanagom-bokatra toa azy, tamin’iny faritra iny herinandro vitsy lasa izay.

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

14/08/2019

Omaly talata 13 aogositra 2019 tamin’ny 8 ora maraina, raha nanao fisafoana teny amin'ny lalam-pirenena faha-7 ireo zandary miasa amin'ny Brigade de police routière (BPR) Fianarantsoa dia nahasarona rongony roa sakaosy milanja 20 kg tao anaty fiaram-pitaterana tao Analalova, kaominina Iarintsena, distrika Ambalavao.

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Raharaha nahafaty an’i Ny Avo Ambohibao Ramatoa 65 taona no voarohirohy nahavanon-doza

21/06/2019

Tohin'ilay fahaverezan-jaza iray tao Morondava, Ambohibao kaominina Antehiroka ka efa vatana mangatsiaka vao hita dia voasambotry ny zandary avy ao amin'ny

 

 

 

 Borigadin’i Talatamaty ny talata 18 jona teo ilay olona voarohirohy, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo amin’ny toby Andrefanambohijanahary . Ramatoa iray sahabo ho 65 taona izy io. “Eo am-panatanterahana ny fanadihadiana tanteraka izahay amin’izao fotoana izao. Alefa hiakatra fampanoavana amin’ny fotoana mahamety azy rehefa vita famotorana. Ny vaovao azo ampitaina hatreto dia mbola miverina manao fanadihadiana lalina any ifotony izahay. Ilay ramatoa kosa dia avy ety akaikin’ny toerana nitrangan’ny fahaverezana sy nahitana ny razana ihany”, hoy ny zandary avy eo anivon’ny Borigadin’i Talatamaty, raha nitafa manokana tamin’ny mpanao gazetinay. Raha tsiahivina, ny alatsinainy 10 jona maraina tokony ho tamin’ny 9 ora no hita i Ny Avo. Tao amin’ny reniranon’Andriantany, Ankadivory Talatamaty no nahitana ilay vatana mangatsiaka, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eny an-toerana. Tsahivina hatrany, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary izay nohamafisin’ny sekoly izay nianarany fa ny talata  4 jona sahabo tamin’ny 12 ora sy sasany mahery atoandro no nanomboka tsy hita ilay zaza izay nonina teo Morondava Ambohibao, kaominina Antehiroka.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana