Dans la mme rubrique

Lalàna mifehy ny serasera Hodinihana eny Tsimbazaza amin`ny fivoriana manaraka

20/09/2019

Nankatoavin'ny governemanta ireo antontan-kevitr'ireo fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera taorian'ireo fakan-kevitra avy amin'ireo mpisehatra samihafa tamina haino aman-jery manerana ny faritra nataon'ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina.

Lalàna mifehy ny serasera Hodinihana eny Tsimbazaza amin`ny fivoriana manaraka

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Helikoptera Mpanao gazety 2 voaheloka handoa10 tapitrisa Ar avy

20/09/2019

Sazy henjana, dia fandoavana lamandy 10 tapitrisa ariary no nomen’ny Fitsarana an’i Nadia Raonimanalina talen’ny famoahan’ny gazety Le Quotidien sy Mahery Rabearivony gazetin’ny 24h Mada,

Raharaha Helikoptera Mpanao gazety 2 voaheloka handoa10 tapitrisa Ar avy

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara Notafihan’ny dahalo ny tanànany, very ny omby 50

20/09/2019

Notafihan’ny andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana ny tanàna niavian’ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasika na ny SMM, Atoa Clément Jaona.

Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara Notafihan’ny dahalo ny tanànany, very ny omby 50

Hamaky ny tohiny...

Kolikoly sy fanodikodinam-bola Manampahefana maro teo aloha hotsaraina

18/09/2019

Aferana kolikoly avo lenta maro no hiakatra indray eo anivon’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) amin’ity volana ity, izay tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny fitsarana mandeha satria ny 19 aogositra ka hatramin’ny 27 aogositra ny adiany voalohany.

Kolikoly sy fanodikodinam-bola Manampahefana maro teo aloha hotsaraina

Hamaky ny tohiny...

Centre Immatriculateur de Madagascar

18/09/2019

« Permis » 21.205 sy « carte grise » 7.835 no vita tao anatin’ny 5 volana

Centre Immatriculateur de Madagascar

Hamaky ny tohiny...

Famarotana tany eto Antananarivo Ny olon’ny fitondrana ihany no voatsindrona

16/09/2019

Aoka izay ny kolikoly, aoka izay ny fanararaotam-pahefana, … aoka izay ny fivarotana ny tanin’ny kaominina. Manaiky ve isika ny hivarotana ny zaridainan’Antananinarenina, avereno amin’ny kaominina ny taniny,…

Famarotana tany eto Antananarivo Ny olon’ny fitondrana ihany no voatsindrona

Hamaky ny tohiny...

Notorian’ny fanjakana Hotsaraina anio ireo mpanao gazety

16/09/2019

Anio alatsinainy 16 septambra ny fitsarana ny raharaha fanenjehana mpanao gazety miisa 3 sy ny Talen’ny kolontsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo tamin’ilay raharaha mahakasika ny fisidinana angidimby tao anatin’ny kianjaben’i Mahamasina ny 30 aogositra,

Notorian’ny fanjakana Hotsaraina anio ireo mpanao gazety

Hamaky ny tohiny...


Actualits

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

 

 Io ilay fanentsenana na “subvention” ambara fa hahafahana mitazona izany tsy hidangana. Efa vidiny tena izy (verité de prix) anefa io mihatra io, raha ny nambaran’ny mpitondra fanjakana ary miala izany ny vesatra miala ao anaty kitapombolam-panjakana. 170 miliara ariary any ho any ihany koa no re fa fanentsenana na “compensation” amin’ny tahiry hikojakojana ny lalana saika mbola notakian-dry zareo  fa toa nolavin’ny fanjakana. Mihena izany ny vesatra, izay azo hanaovana zavatra hafa ho amin’ny tombotsoam-bahoaka izany volabe izany. Eo ohatra ny vidin-jiro, izay tena mafy amin’ny isan-tokantrano na dia ny 15% amin’ny Malagasy ihany aza no misitraka izany hatreto. Io no iankinan’ny famokarana sy ny indostria eto, ka tokony hisy fijerena akaiky satria anisan’ny fampanantenan’ny filoham-pirenena rahateo ny hampidina io saran’ny herinaratra io. Miezaka miala amin’ny fanampiana ara-bola ny orinasam-panjakana ny fanjakana, saingy maro ny endrika hahafaha-manao zavatra amin’ireo volabe ireo. Marihina fa ilay vidin-tsolika aloha hatreto tsy miantraika amin’ny saran-dalana, ka mila jeren’ny fanjakana akaiky.

 

Toky R

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana