Dans la mme rubrique

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

21/08/2019

Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly alatsinainy 20 aogositra tamin’ny 8 ora sy sasany alina Atoa Alain Ramaroson, rehefa notanana teny Antanimora nanomboka ny 3 aogositra 2016

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana misahana ny kolikoly-PAC Raharaha 70 no hotsaraina amin’ity taona ity

21/08/2019

Nisy ny fahatarany teo amin’ireo antontan-taratasy tokony hotsaraina, araka ny fanazavana voaray, noho ny antony tamin’ny fifidianana ireo mpikambana tao amin’ny “Pôle Anti-Corruption” na ny PAC,

Fitsarana misahana ny kolikoly-PAC Raharaha 70 no hotsaraina amin’ity taona ity

Hamaky ny tohiny...

Fadin-tseranana Hanakaiky ny mpanjifa amin’ny laharana maitso

21/08/2019

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa dia nampahafantatra ny fisian’ny laharana maitso « 360 » ny eo anivon’ny fadin-tseranana Malagasy omaly tetsy Tsaralalàna.

Fadin-tseranana Hanakaiky ny mpanjifa amin’ny laharana maitso

Hamaky ny tohiny...

Star tour Mahajanga Nahatratra 20.000 ireo olona tonga nanatrika

21/08/2019

Fahombiazana tanteraka no azon’ny orinasa STAR sy ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga nandritra ilay hetsika « Star tour » notanterahina tany an-toerana ny herinandro lasa teo.

Star tour Mahajanga Nahatratra 20.000 ireo olona tonga nanatrika

Hamaky ny tohiny...

Famonoan-tena nisesy tao Antsirabe 1 maty, 2 avotra soa aman-tsara

21/08/2019

Tovovavy roa tokony ho 17 taona no tsy hay na niara-namono tena omaly tao Antsirabe, izay samy avy any Andranomanelatra avokoa no fiavian'izy roa vavy ireo, ary mbola samy mpianatra avokoa, araka ny fampitam-baovao.

Famonoan-tena nisesy tao Antsirabe 1 maty, 2 avotra soa aman-tsara

Hamaky ny tohiny...

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

20/08/2019

Re amin’izao fa nanafatra kamio benina maro be ny mpandraharaha malaza iray akaiky ny filoha, raha ny loharanom-baovao.

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

Hamaky ny tohiny...

Tompon’andraikitra teo aloha tsy voafidy intsony Mila mamerina haingana ireo fananam-panjakana

20/08/2019

Maro ireo mpiasam-panjakana sy ireo olona manam-pahefana ambony nomen’ny Lalàna zo hipetraka amin’ny tranom-panjakana noho ny andraikitra sahaniny.

Tompon’andraikitra teo aloha tsy voafidy intsony Mila mamerina haingana ireo fananam-panjakana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

25/06/2019

Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.

 

 

 

 Raha ny loharanom-baovao, dia ny minisitry ny fitsarana teo aloha izay vehivavy, Jeneraly miisa roa avy amin’ny zandarimariam-pirenena ireo olona telo hisafidianan’ny filoha ireo. Andrasana izany ny fanendrena na ho anio na ho aorian’ny lanonam-pankalazana ny fetim-pirenena. Hatraiza ny finiavan’ny filoham-pirenena sy ny fanjakana hiady amin’ny kolikoly ? Tena ho sahy hikitika ny olon’ny fitondrana na akaiky  ny filoha izay voasaringotra amina raharaha kolikoly ve izay Tale jeneraly hotendreny eo ? Ampahatsiahivina hatrany fa tao anatin’ny fanjakana tetezamita no nanjakan’ny kolikoly sy ny gaboraraka na koa ny fanondranana harem-pirenena toy ny boaderozy be indrindra teto Madagasikara satria faha-84 amin’ny firenena 180 isika tamin’ny 2008, ary faha-127 taty amin’ny fiafaran’ny tetezamita, izany hoe very toerana 43 ny 2009-2014. Faha-152 amin’izao fotoana, izany hoe very toerana 68 niainga tany amin’ny fanonganam-panjakana 2009.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana