Dans la mme rubrique

Fampandrosoana holovain-jafy Lalana iray hahatrarana ny tanjona ny antenimieram-pirenena

21/08/2019

Tonga niarahaba tamin’ny fomba ofisialy an’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine tamin’ny nahavoafidy azy tamin’ny fifidianana tamin’izany ny solotena maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara Ramatoa Violet Kakyomya.

Fampandrosoana holovain-jafy Lalana iray hahatrarana ny tanjona ny antenimieram-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana raharaham-panjakana Mila fanaraha-maso goavana

21/08/2019

Hiditra amin`ny fandaniana ny tetibolam-panjakana lasitra ho an`ny taona 2020. Mijanona ho 2020 ny PMO saingy mifanaraka amin`izay ve ny tetibolam-panjakana ?

Fitantanana raharaham-panjakana Mila fanaraha-maso goavana

Hamaky ny tohiny...

Politika ankapoben`ny fanjakana Tokony hampafantarina amin`ny vahoaka eny ifotony

19/08/2019

Araka ny andininy faha-99 amin`ny lalàmpanorenana dia iray volana farafahatarany aorian`ny fanendrena ny praiminisitra dia tsy maintsy mitondra ny “Programme de mise en oeuvre” (PMO) eo anivon`ny politika ankapoben`ny fanjakana (PGE)

Politika ankapoben`ny fanjakana Tokony hampafantarina amin`ny vahoaka eny ifotony

Hamaky ny tohiny...

Sehatra fambolena Tsy manana fitaovam-pamokarana ny tantsaha

12/08/2019

Miantoka ny fahombiazan’ny 75% ny voka-pambolena ny fampiasana ny fitaovam-pamokarana manara-penitra.

Sehatra fambolena Tsy manana fitaovam-pamokarana ny tantsaha

Hamaky ny tohiny...

Tahina Razafinjoelina « Fampianarana no fanalahidin’ny fandrosoana »

01/08/2019

Vahiny manokan’ny onjam-peo Fandaharana “Bemiray” ao amin’ny Top Radio 102.8 Fm Atoa Tahina Razafinjoelina filoha nasionalin’ny Antoko Tia Tanindrazana omaly maraina.

Tahina Razafinjoelina « Fampianarana no fanalahidin’ny fandrosoana »

Hamaky ny tohiny...

Lalana Tsarasaotra Ivato Tsy azo ekena ny gaboraraka, hoy ny fanjakana

31/07/2019

Manomboka ny alarobia ho avy izao dia hipetraka ny fandaminana vaovao eo amin’ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato .

Lalana Tsarasaotra Ivato Tsy azo ekena ny gaboraraka, hoy ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

10 taona nisian’ny SAMIFIN Nahatratra 161 ireo tranga nisiana famotsiam-bola

29/07/2019

Nandritra ny 10 taona nitsanganan’ny Sampandraharaha iadiana amin'ny famontsim-bola sy famatsiam-bola amin'ny fampihorohoroana (SAMIFIN) izay dia tafakatra 161 ireo tranga naharaisany fitarainana tamin’ny taona 2018 raha toa ka 151 ny taona 2017.

10 taona nisian’ny SAMIFIN Nahatratra 161 ireo tranga nisiana famotsiam-bola

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fahaleovantenan’i Madagasikara Tsy maharesy lahatra hatreto

25/06/2019

26 jona 1960 – 26 jona 2019. Feno 59 taona rahampitso ny nanambarana amin’ny fomba ofisialy fa firenena mahaleotena i Madagasikara rehefa avy nozanahan’ny frantsay nandritry ny 63 taona (1897 – 1960).

 

Raha atao indray mijery anefa ny fiainan’ny Malagasy ankehitriny dia samy mahita ny olom-pirenena fa niha sarotra. Tsy mety miato tanteraka ny savorovoro politika. Mbola mitohy sy misy mivoy ny ady mangatsiaka eo amin’ny “afovoantany” sy ny “anindrantany”. Mipetraka ny fanontaniana hoe firy isan-jaton’ny Malagasy ankehitriny marina tokoa moa izany no tena mbola tia ny tanindrazany ? Mbola misy maty foana isaky ny misy tolona lalovan’ny firenena ary ny mahagaga dia hita ho mitombina hatrany ny fehezantenin’ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka hoe “Mora manadino ny Malagasy.” Hatramin’izao fotoana izao dia maro ny adihevitra mipetraka mikasika ny atao hoe fanjanahantany sy fahaleovantena. Fa inona tokoa no zava-nitranga ara-tantara ?

Ireo marika

Ny sainam-pirenena (fotsy, mena, maitso), ny hiram-pirenena (“Ry tanindrazanay malala”, misy andininy 3, nosoratan’ny pasitera Rahajason ary Norbert Raharisoa kosa no nanao ny feony.), ny tenim-pirenena (Malagasy). Ireo 3 ireo no marika voalohany famantarana fa mahaleotena ny firenena iray.

Fintin’ireo rakitsoratra

Amin’ny ankapobeny, voalaza fa fiarahamonim-bazimba no nisy teto Madagasikara talohan’ny fifandonan’izy ireo tamin’ny ireo mpiavy avy amina firenena samihafa toa an’i Malaizia sy indonezia. Rehefa nivoatra teny ny fiarahamonina dia nanomboka ny vanim-potoana faha mpanjaka izay nifarana ny taona 1897 rehefa resy tosiky ny tafiky ny jeneraly frantsay Gallieni, nampitantanina an’i Madagasikara tamin’izany, ny mpiantafiky ny mpanjaka Ranavalona III, mpanjaka farany teto Madagasikara. Asa an-terivozona, karama varimasaka, fakan’ny vazaha ny tanin’ny Malagasy. Izany amin’ny ankapobeny no niainan’ireo Malagasy tao anatin’ny fanjanahantany izay nadikan’ny frantsay hoe “colonisation”. 

14 oktobra 1958

Ny 14 oktobra 1958 no nanambaran’ny fitondrana frantsay fa repoblika i Madagasikara nanomboka teo ary notendrena ho filoham-pirenena Malagasy voalohany ny filoha Philibert Tsiranana. Teo anelanelan’ny taona 1946 sy 1947 no tena namaivay ireo tolon’ny firenena zanatany ary anisan’izany ny zanatany frantsay. Nitohivakana izany ary niampy tsindry iraisampirenena ihany koa ary dia saika nanome fahaleovantena ireo firenena nozanahany avokoa taty aoriana ireo firenen-dehibe.

26 jona 1960

Teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina, Antananarivo, no nanambaran’ny fitondrana frantsay misahana an’i Madagasikara, notarihan’ny jeneraly Charles De Gaulle, tamin’ny fomba ofisialy fa firenena mahaleotena amin’izay ny nosintsika. Na izany aza anefa dia hetsika nanehoana tsy fahafaham-po momba izany sy nahenoana voalohany ihany koa fa fahaleovantena sarintsariny no nomen’ny frantsay antsika ny nitranga tamin’ny 13 mey 1972. Mbola maro ankehitriny ireo endrika isehoan’izay tsy fahaleovantena izay amin’ny lafiny rehetra raha ny fanehoan-kevitr’ireo olom-pirenena ankehitriny.

Gerard Ramamimampionona, mpahay fiarahamonina, filoha lefitry ny CFM

“ … Tsy mbola mahaleotena isika. Niala tamin’ny fanjanahantany mivantana fa mbola miaina fanjanahana an-kolaka ary tsy mahaleotena amin’ny lafiny rehetra. Tsy mbola tafaverina ireo soatoavina nopotehin’ny olona izay nametraka ny maha izy azy antsika toy ny fihavanana. Mbola mitohy foana ny zarazarao hanjakana eo anivon’ny fiarahamonina tao anatin’izay 59 taona izay ary tsy hifanomezan-tsiny io fa miantso ny fahatsapan-tenan’ny rehetra hanao ezaka mba hanana fahadiovana ara-tsaina, ara-pitantanana, ara-batana sy ny hafa. Azo avadika ny tantara ary ohatra amin’izany i Rwanda sy Afrika Atsimo. Ny an’ireny moa hita maso be ilay endriky ny ady sy ny tsy fihavanana dia mora naravona saingy ny antsika feno ady mangatsiaka maro karazana.”(sary 1)

Mirana Landivololona, renim-pianakaviana

“ Anarana fotsiny ilay fahaleovantena raha mijery ny ankehitriny. Tsy dia tena hitako loatra aloha hatramin’izay niainako satria tena mbola hita be hoe manana fahefana be eto ny vahiny ary ny ankabeazan’ny Malagasy dia mbola eo ambany vahohon’ny mpampiasa vahiny. Saika vahiny no tompon’ny ankamaroan’ireo orinasa eto Madagasikara. Ny fibaikoana amin’ny raharaham-pirenena dia mila ny hevitry ny avy any ivelany foana matetika. Na ny miaramila aza dia matetika ambany fitarihan’izay antoko matanjaka fa tsy tena hita ny maha tandroka aron’ny vozon’ny vahoaka azy.”(sary 2)

Marc Raharison, raim-pianakaviana

“Raha ny hitako sy niainako dia sarintsariny ihany ilay fahaleovantena. Teo amin’ny fitondrana Ramanantsoa ihany angamba no nisy firaisankina sy fiaraha-mientan’ny Malagasy. Saribakolim-bazaha foana hatramin’izao aloha. Foto-kevitra avy any ivelany no nentina nitantana ny firenena, hany ka tsy dia hita izay voka-tsoa azo avy aminy na fivoarana ara-tsaina na toekarena. Ilay Malagasy hifamelona ao anaty fahaleovantena mihitsy no tsy misy satria tsy mifanitsy amin’ny toetsain’ny Malagasy ny zavatra nezahana nasisika tao an-dohany.” (Sary 3)

Jean Jacques Ratsietison, mpahay toekarena

“Ny fiandrianam-pirenena amin’ny vola no fahaleovantena voalohany satria io no hozatry ny fiainana. Didim-panjakana no mamerina sy manala an’io. Mamerina ny taha-bola tsy miovaova. Mampiakatra ny sandam-bola 100% na mihoatra. Raha 200% io dia mihena amin’ny ampahefany ny sandan’ny vidim-piainana. Tsy ahaleontena na oviana isika raha tsy azo io. Mila miala amin’ny MID no dikan’izany ary tsy “miracle” izany no nahatafavoaka an’I Rwanda fa politika toy izany.” (Sary 4)

Araka izany dia hita ho mbola tsy maharesy lahatra ny maro hatreto ity hoe fahaleovantenan’ny Malagasy ity ary miankina amintsika ihany anefa no tena hahazoana azy, raha ireo fanehoan-kevitra.

Nanangona sy nandrindra: J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana