Dans la mme rubrique

Fifidianana ben’ny tanàna Raikitra ihany amin’ny 27 novambra

16/08/2019

Hotontosaina ny 27 novambra izao ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsainan’ny tanàna manerana ny Nosy, araka ny tapaka tao anatin’ny filankevitry ny governemanta,

Fifidianana ben’ny tanàna Raikitra ihany amin’ny 27 novambra

Hamaky ny tohiny...

Tetibolan’ny fifidianana Vonona hampihatra ny politikam-pitsitsiana ny CENI

16/08/2019

“Miankina amin’ny fanapahan-kevitra avy amin`ny governemanta ny fanapahana ny tetibola ilaina amin`ny fanatanterahana ny fifidianana ben` ny tanàna”, hoy ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo.

Tetibolan’ny fifidianana Vonona hampihatra ny politikam-pitsitsiana ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza “Tokony ho olom-boafidy no mitarika ny fanoherana”

16/08/2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny lalàna mifehy ny fanoherana ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza.

Imbiki Herilaza “Tokony ho olom-boafidy no mitarika ny fanoherana”

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Voafidy ho filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra

16/08/2019

Nitsangana ny « Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny Demokrasia eto Madagasikara » na ny RMDM, araka ny tapaka nandritra ny fivoriana lehibe teny Ivandry ny alarobia 14 aogositra teo.

Marc Ravalomanana Voafidy ho filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Tratry ny vely kobay, mikatso ny IEM

16/08/2019

Nampahafantarina nandritra ny ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo fa tsy maintsy ampifanarahana amin`ny velirano natao ny fametrahana ny tetibolam-panjakana 2020 izay tokony hiompana amin`ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka amin`ny lafiny sosialy sy ny sehatry ny fambolena.

Andry Rajoelina Tratry ny vely kobay, mikatso ny IEM

Hamaky ny tohiny...

Lehiben’ny mpanohitra “Hajao fotsiny ny lalàna efa misy dia izay”

16/08/2019

Nitondra ny heviny mikasika ny adihevitra momba ny lalàna mifehy ny mpanohitra sy ny lehibeny ireo olon-tsotra nanaovana ny fanadihadiana.

Lehiben’ny mpanohitra “Hajao fotsiny ny lalàna efa misy dia izay”

Hamaky ny tohiny...

Depiote Alain Ratsimbazafy “Ny lalàna 2011-013 ihany no fantatray !”

16/08/2019

Volavolan-dalàna mikasika ny fanoherana ety anivon’ny antenimieram-pirenena no dinihin’ireo depiote amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan’ny depioten’Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy.

Depiote Alain Ratsimbazafy “Ny lalàna 2011-013 ihany no fantatray !”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

25/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Penjy Randrianarisoa Ben’ny tanànan’Ivato omaly manoloana ireo zava-bitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ivato.

 

 

Tsy miandry ny ankatoky ny fotoam-pifidianana tahaka izao ny tenany raha ny nambarany vao manambitamby mpampianatra na maka ny fon’ny vahoaka fa efa niasa ary mbola hiasa hatrany. Anisan’ny asa vitany ny fanalana ireo fako nivangongo tao Ivato sy ny nahazoany fiarabe iray vaovao hitatitra izany. Nisy koa ny lalana mirefy 15 km natao rarivato sy tara ka voakasika avokoa ny tany anelakela-trano sy ny tany an-tanimbary. Tsy latsa-danja amin’ireo ny CSB II roa vaovao, ny tsena, ny fandraisan’ireo zokiolona ao Ivato vola fisotroan-dronono, ny EPP roa vaovao ao Antanambao sy Ilaivola,  ny tranompokonolona roa vaovao ihany koa ny fampidirana jiro sy rano, ny fanampiana ny mpampianatra…. Nomarihin’ingahy Ben’ny tanàna fa vola toy ny nampiasain’ireo mpitantana ny kaominina Ivato teo aloha ihany no nampiasainy nanaovana izany koa anjaran’ny vahoaka ny mitsara.

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana