Dans la mme rubrique

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

16/08/2019

Fampanantenana tanin'orinasa manana taratasy ara-dalana hozarain'ny olom-boafidy, nandritra ny fampielazan-kevitra no fototr'olana.

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

16/08/2019

Vory lanona nankalaza ny fetim-pireneny teny amin'ny toeram-ponenan'ny Masoivohon'ny firenena Indianina ireo teratany avy amin'ity firenena ity, omaly tontolo andro.

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

14/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny zoma alina teo, sahabo ho tamin’ny 9 ora mahery, tamin’ny faritra Ankazobe.

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

Hamaky ny tohiny...

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

14/08/2019

Tra-tehaky ny polisy ny mpamatsy basy vita gasy ny faritra Atsimon’ny Nosy. Ny 11 aogositra 2019 lasa teo tany Tsimenatra II, Toliara , lehilahy iray, 26 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny «Force d’intervention de Police »

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

Hamaky ny tohiny...

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

14/08/2019

Tra-tehaka tao amin'ny kaominina Kiangara ny atidoha nikotrika ny famonoana ilay mpanagom-bokatra toa azy, tamin’iny faritra iny herinandro vitsy lasa izay.

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

14/08/2019

Omaly talata 13 aogositra 2019 tamin’ny 8 ora maraina, raha nanao fisafoana teny amin'ny lalam-pirenena faha-7 ireo zandary miasa amin'ny Brigade de police routière (BPR) Fianarantsoa dia nahasarona rongony roa sakaosy milanja 20 kg tao anaty fiaram-pitaterana tao Analalova, kaominina Iarintsena, distrika Ambalavao.

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana RN7 Ambalavao Atsimondrano Maty tsy tra-drano ilay mpamily fiarabe

25/06/2019

Nitrangana loza nahatsiravina teo Mananasy, Kaominina Ambanivohitra Ambalavao, distrika Atsimondrano, afak’omaly alahady tokony ho tamin’ny 9ora maraina.

 

Maty tsy tra-drano ilay mpanamory vao 40 taona. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, teo amin’ny Pk 29 + 20, tamin’ny lalam-pirenena faha-7 no niseho ny loza. Raha iny hihazo fidinana iny ilay fiara lehibe nitondra vary an-taonina maro ka nanitsaka hisatra ilay mpamily, kinanjo efa tsy tao intsony ilay tsako kodiarana. Araka ny volazan’ireo  mpiray dia taminy izay naratra, foana ny rivotra ka lasa tanteraka ny hisatra tamin’ny fotoana nilana azy. Io sampona ara-mekanika io no fototry ny loza ka nirimoromo ambavaloza, nivarina tanteraka tany anaty hantsana ilay fiara mpitatitr’entana. Nentina avy hatrany tao amin’ny CSB 2,  tao Ambalavao ireo niharan’ny loza ka rehefa avy nozahan’ny mpitsabo ilay razana dia nomena ny fianakaviany nentina nankany Ivory, Antsirabe. Ireo tsy salama kosa izay avy any Ambohimandroso Antanifotsy sy Anosizato dia notsaboin’ireo dokotera teny an-toerana ary tsy misy ahiana ny ainy. Ny zandary avy ao amin’ny paositra Ambalavao no nandray an-tanana ny raharaha.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana