Dans la męme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Rocade Ivato - Tsarasaotra Olona roa naratra mafy noho ny fiara efatra nifandona

27/06/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fandosiran’ny fiara nahavanon-doza. Eo am-pitadiavana ilay fiarabe fototry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ny mpitandro filaminana.

 

 Fiara miisa efatra nifandona teo amin’ny lalam-baovao manodidina an’Ambodifasina, 5 km tsy hiditra an’Ivato, ny talata 25 jona teo. Tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana raha ny fitantaran’ireo niharam-boina. Araka ny fampitam-baovao ofisialin’ny polisim-pirenena, kamiao nivily niankavia tampoka tsy nandefa jiro famantarana no niteraka ny fifandonana. Fiara telo no nifandona izay notatazan’ilay fiarakodia ho any Ivato. Potika tanteraka ity farany izay saika hihazo ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena. Naratra mafy ilay lehilahy mpamily sy ny vehivavy teo anilany. Nentina maika namonjy toeram-pitsaboana ireo naratra. Ilay fiarabe fototry ny loza kosa nitsoaka. Tonga niara-nanao ny fizahana teny an-toerana ny polisy sy ny zandary ary efa misokatra ny fanadihadiana.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana