Dans la mme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Dobo-tafondro 21 Nahena ny herin’ny vanja napoaka

27/06/2019

“Nahena ho antsasaky ny fidoboky ny tafondro ny feony sy ny heriny, omaly 26 jona teo Mahamasina”.

 

 

 

Io no fampitam-baovaon’ny Jeneraly Angelo Christian Ravelonarivo, prefen’Antananarivo Renivohitra. Fanakianana maro mantsy no azon’ny fitondrana izay vao nijoro, tamin’ny andro nametrahana ny filoham-pirenena ankehitriny noho ny doboka tafondro ka anisan’ny ahiana nahatonga ny fihotsahan’ny vato be avy eo Andohalo nihazo an’i Tsimialonjafy ka nahafaty olona maro. Kiana tamin’izany ny tsy filazana mialoha tahaka ny fandraisana fepetra namahana ny varavarana teny amin’ny faritra avo mba tsy hampihiboka ny feo izay manako. Nanindry io fepetra io ny prefe, araka ny tokony ho fanao isaky ny hanapoaka tafondro mba hamoha ny varavarankely sy ny varavarambe rehetra hisorohana ny loza. Araka ny vaovao nampintainy hatrany, natodika any amin’ny faritra tsy misy ahiana hanako na hidona amin’ny toerana avo ny tafondro. Hisy manampahaizana manokana ihany koa miaraka amin’ny mpitandro filaminana mitsirika sy manara-maso ireo vato mandondona mandritra sy aorian’ny fidobohan’ny tafondro. Izao fepetra izao no noraisina dia mba hisorohana ny loza mety haterak’ireo vato mitsingilahila eny amin’ny faritra avo.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana