Dans la męme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Kaonty hosoka facebook Nofonjaina ilay mpandrahona nitaky 4 tapitrisa ariary

27/06/2019

Naiditra am-ponja vonjimaika mandra-pitsara azy ny mpanao telefaonina avy any Toamasina naka ny sary mamoafady ana vehivavy iray. Norahonany ity farany handoa vola ho tambin’ny tsy

 

 

 

fanapariahany izany. Nanangana kaonty hosoka tamina tambajotran-tserasera ilay rangahy ka nadrahona ny hanaparitaka ireo sary manokan’ilay ramatoa raha tsy manome vola hatramin’ny 4 tapitrisa ariary. Nitory avy hatrany ilay nanana finday simba izay vao

avy novidiana tsy ela ka saika hamboarina. Nanatanteraka ny vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka tafiditra tao anaty haraton’ny polisim-pirenena ity voarohirohy  raha tsy nahazo io lelavola, ny 7 jona teo. Niaiky ny helony izy nandritra ny famotorana azy izay notanterahin’ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fampanoavana,

efa miandry ny fitsarana azy any am-ponja izy.

Taona maro hifonjana sy vola an-tapitrisany maro no lamandy miandry ny solafaka amin’ny “cybercriminalité” toy izao, indrindra ny tenany efa nilaza ny polisy mpanao famotorana fa nanao ny asa ratsy.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana