Dans la mme rubrique

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

16/09/2019

Hahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro i Antsirabe ka ny orinasa Witec no hiandraikitra ny fanorenana izany.

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

Hamaky ny tohiny...

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

11/09/2019

Nisy namono ny lehilahy iray, raim-pianakaviana izay nandeha namonjy fiandrasam-paty.

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHARAH-CKIKIY

06/09/2019

Sazy an-terivozona 15 taona an-tranomaizina no azon’ireo olona izay nanafika sy nikasa ny hifofo ny ain’ilay mpanakanto malaza antsoina hoe Rah-Ckiky.

RAHARAHARAH-CKIKIY

Hamaky ny tohiny...

TIM Ambohimanarina

03/09/2019

Toy ny fanaony isan-taona dia nanomboka omaly alatsinainy 2 septambra ny fampianarana maimaimpoana hiatrehana Bakalorea karakarain’ny antoko Tiako I Madagasikara eny Ambohimanarina.

TIM Ambohimanarina

Hamaky ny tohiny...

MANODIDINA AN’I MBOLA RAJAONAH

02/09/2019

Manomboka mipitika any amin’ny manodidina an’i Mbola Rajaonah ny ra.

MANODIDINA AN’I MBOLA RAJAONAH

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHA FJKM ANALAKELY

29/08/2019

Mangataka mba hanakatona vonjimaika ny FJKM Katedraly Analakely aloha ny Pasitera Rasolomanana Jafetra hitrandrahana ny tena marina amin’ny raharaha.

RAHARAHA FJKM ANALAKELY

Hamaky ny tohiny...

RMDM

14/08/2019

Tafatsangana ankehitriny ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

RMDM

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MINISTERAN’NY SERASERA

27/06/2019

Midona amin’ny tamboho tanteraka ny minisiteran’ny serasera. Ny fampitana mivantana ny 26 jona natao tamin'ny Tvm tamin'ity taona ity no isan'ny ratsy indrindra teto amin'ny tantara-pirenena ary feno fanakianana izany tetsy sy teroa.

 

 

Tsy mahafehy ny sehatra ireo mpitantara no miteniteny foana mitarika hatramin'ny resaka fanavakavaham-bolon-koditra. Tsy voafehy ihany koa ny lafiny teknika indrindra fa ny feo kanefa dia efa amam-polo taonany no nanaovana an'io fampitana mivantana io. Midina tanteraka ny fijerin’ny olona ny minisiteran’ny serasera sy ny ekipany. 

 

NIHEVI-TENA HO TAPI-PAHAIZANA

 

Tadiavina ho ireo mpanao gazety indray no horoahina momba ny tsy fietezana omaly. Ekena ny tsy fahafehezan’izy ireo ny asany no ho tsy fahafahantarana ilay sehatra hotantaraina mivantana, fa kosa iza no tompon’andraikitra nanendry  ary tsy mba nisy andràna akory ve alohan’ny fanendrena ? Manarak’izay, tsy mba nisy fakana lesona tamin’ny nataon’ny teo aloha ve, dia ny fakana ny manam-pahaizana isam-bondrona (miaramila, zandary, polisy, mpandraharahan’ny fonja…) hanampy amin’ny fitantarana ny matso. Heverin’ny minisiteran’ny serasera fa hainy avokoa ny zava-drehetra dia ireny no vokany. 



VOAHILIKA KANEFA NIASA MAFY

 

Maro ny tsy nahazo fanasàna teny Mahamasina kanefa isan’ny niasa mafy tamin’ny fanatontosana iny hetsika iny. Sendaotra ny maro tamin’izy ireo omaly satria toa lasa misy fanavakavahana izany tamin’ny fanasàna ny olona, indrindra ny tompon’andraikitra ambony izay nentina teny. Lasa mifampiahiahy ankehitriny ny samy lehibe satria iaraha-mahalala ny fitiavan’ny malagasy mpitondra voninahitra. Toa fanompàna azy ireo izany hoe tsy nankeny Mahamasina izany amin’ny toerana izay tazominy. 


VOATAFIKA NY GALANA ANKORONDRANO

 

Nisy nanafika ny Galana Ankorondrano ny alin’ny 25 jona. Efa teo am-piomanana ny hanidy tsena ity toeram-pivarotan-tsolika ity no tonga ary niandry ireo fiara faramparany izay naka solika ho vita. Teo no tonga tampoka ny roa lahy mitam-basy ary naka ny vola teny amin’ny pompistes, tao anaty trano ary koa tamin’ireo mpamily fiara izay tratran’izy ireo teo. Tonga teo ny minisitry ny polisy nony avy eo ary nanentana mba tsy hisalasala ny hiantso azy ireo rehefa misy ny asan-jiolahy. Tsy efa izany foana ve moa ? 

VOAKIANA NY MPITANDRO FILAMINA


 
Nataon’ny fikambanana iraisam-pirenena mpanara-maso ny zon’olombelona, Amnesty International, ho mifanandrify amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena izay sady fetin’ny foloalindahy ny fanambaràny mahakasika an’i Madagasikara. Izany dia momba ny tokony handraisana fepetra maika sy matotra mba hampitsaharan’ny mpitandro ny filaminana malagasy ny famonoan’olona etsy sy eroa. Notanisain’izy ireo avokoa ny tranga mahatsiravina rehetra mba hanaporofony fa araky ny maso iraisam-pirenena ny tsy fanajàna ny vonoan’olona ataon’ireo mpitandro ny filaminana eto amintsika. Fantsy tanteraka. 


RAHARAHA TSIPOAPOAKA TANY TOAMASINA

 

Raha tsy nitatatata tamin’ny haino aman-jery sy ny gazety isan-karazany ny havan’ilay ramatoa nitondra vohoka izay nidoboka am-ponja tao Toamasina dia tsy afaka mihitsy io farany. Nandeha ny fitsaràna ary nahazo fahafahana noho ny fisalasalàna izy. Raha tsiahivina dia mba niteny ny zaza iray izay hay zanaka mpitsara, izy ny mba hanapoahana tsipoapoaka eo amin’ny tokontaniny. Avy hatrany anefa dia tezitra ny renin’ilay zaza, izay mpitsara, raha naheno izany ary nampihatra ny fahefany ka nampidoboka am-ponja olona.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana