Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Harena azo amin`ny tsy ara-dalàna Ho avy amin’izay ny fanagiazana

01/07/2019

Hofaritana tsy ho ela ny foibe hitantana ny resaka fanagiazana ny harena azo amin`ny tsy ara-dalàna.

 

 Navoaka nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny didy hitsivolana amin`ny fahafahan`ny fanjakana manageja ireo harena azo avy amin`ny kolikoly, ny famotsiam-bola ary famatsiam-bola entina mampihorohoro. Teboka lehibe miisa dimy no nivoitra tao anatin`izany. Nasian-teny ny fomba hamaritana ny harena azo amin`ny tsy ara-dalàna. Notsindrina fa ny fanjakana no manana fahefana hanenjika ireo manao izany sy hampamerina ny vola. Voafaritra ao anatin`io didy hitsivolana io fa azon`ny fanjakana atao avy hatrany ny mitazona ny fananan`ireo tratra manatanteraka izany. Hisy kosa ny sampandraharaha manokana hisahana ny famohana didy sy fitazonana an`ireo harena ireo eo anivon`ny fitsarana izay antsoina hoe: “chambre de gel et de la saisie et de la confiscation des avoirs illicites ». Hosaziana herintaona an-tranomaizina miampy fandoavana onitra 10 hatramin` ny 100 tapitrisa ariary kosa ny famoahana ny tsiambaratelon`ny famotorana sy ireo izay mamoaka mikasika ny fanenjehana ireo  mpangoron-karena amin`ny tsy ara-dalàna. Didy hitsivolana farany navoakan`ny filoham-pirenena amin`ny alalan`ny fahefana manokana nomen`ny antenimiera azy ny mikasika ny fanagiazana sy famerenana ireo vola sy fananana tsy manara-dalàna na ilay antsoina hoe “recouvrement des avoirs illicites”. Azo antoka fa hafana ny tontolon`ny politika satria vao nigadona teo amin`ny fitondrana ny filoham-pirenena somary niendrika valifaty politika teo amin`ny antoko HVM ireo fanapahan-kevitra maro samihafa noraisiny. Maro rahateo ireo  olon`ity antoko ity no voarohirohy amina raharaha maro samihafa. Ho sahy hampihatra lalàna amin`ireo olona mialokaloka eo aminy ve ny filoha Rajoelina ? Andrasana izay ho tohin`ny raharaha.

Marigny A.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana