Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Anosibe Zazalahikely iray no maty teo am-pijerena CAN 2019

01/07/2019

Loharanom-baovao samihafa no nilaza fa zazalahikely iray no maty niaraka tamin’ny baolina ny alakamisy teo.

 

 

Diso faly loatra noho ny fandresen’ny ekipam-pirenena Malagasy an’ny Hirondelles Burundi, amin’izao ady baolina kitran’ny “Coupe d’Afrique des Nations” izao izy. Tsahivina fa ny minitra faha- 76, teo amin’ny kianjan’i Alexandrie, Egypte no nahafaty baolina tamin’ny alalan’ny “Coup franc” nodakan’i Marco Ilaimaharitra, ny ampitso alin’ny fetim-pirenena. Ny loharanom- baovao iray nilaza fa nijery baolina ilay zaza ary vokatry ny fahatairany fa nahafaty baolina ny ekipam-pirenena Malagasy  dia nihoraka mafy izy ary nijanona tampoka tamin’izay ny fony. Voalaza hatrany fa mpankafy taranja baolina kitra tanteraka ireo manodidina sy ny fianakaviany. Loharanom-baovao hafa kosa anefa nilaza fa teo koa ny orakoraky ny manodidina izay anisan’ny nanaitra azy ka nampiakatra ny tosidrany ary voalaza fa nahafaty azy. Ny faran’ny herinandro teo no nentina nihazo ny Faritra Matsiatra Ambony izay misy ny fasan-drazany ny vatana mangatsiakan’ity zaza ity. Marihina fa ankizy latsaky ny 7 taona ity nindaosin’ny fahafatesana teo Anosibe ity.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana