Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Barean’i Madagasikara Atao fitaovana politika…

02/07/2019

Reharehantsika Malagasy ny Barean’i Madagasikara, izay tena namiratra ao anatin’ny CAN 2019 amin’izao fotoana izao. Tsara ary mendri-piderana ny fanohanana ataon’ny sokajin’olona rehetra na mpanao politika na olom-pirenena.

 Anisan’ny nanampy ara-bola ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ilay 700 000 000Ar, izay volam-bahoaka. Mendri-piderana izany saingy tsikaritra ihany ny fivoizana resaka politika ataon’ny filoham-pirenena tamin’ilay filazana taorian’ny lalaon’i Barea sy Guinée fa nivavaka izy hoe: aza atao menatra ny Malagasy, ka 6 minitra monja taorian’ny fidirana faharoa dia nahafaty baolina ny N°13, izay nitarihan’ny mpifanandrina azy 1-0. Misy dikany daholo izany ary io N°13 io dia tsy laharana fahatany fa na hatrany amin’ny baiboly aza io dia miteny hoe: “fa ny fitiavana no lehibe indrindra”, hoy i Andry Rajoelina. Mbola nitohy io tamin’ny lalao nifanandrinana tamin’i Nizeria niresahana fa teo amin’ny faha-13 minitra no nahafaty ny baolina voalohany ny Barea. Mety afaka milalao ilay laharana faha-12 na koa ny anarana Marco ao amin’ny ekipam-pirenena ny mpanao politika hafa raha voizina amin’io, saingy tsy manao izany fa manohana tahaka ny Malagasy rehetra. Mampiombona antsika Malagasy rehetra io, ka tsy tokony holotoina amin’ny loko politika sy tadiaviana hatao fitaovana politika.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana