Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Firavana alina amin’ny asa Velon-taraina ireo mpiasa noho ny tsy fisian’ny Taksibe

02/07/2019

Mpiasan’ny orinasa tsy miankina iray mitaraina mikasika ny tsy fandriampahalemana manodidina ny toeram-piasany eny Tanjombato.

 

 Raha ny filazany, vao talohan’ny fetim-pirenena izy no very poketra sy finday nandritra fifanosehana taksibe. « Misy fotoana amin’ny 7ora 30 mahery eo foana vao vita ny asa rehefa manenjika entana izahay. Misy fotoana aza efa hatramin’ny 8ora alina. Mibosesika ny mpiasa amin’izany, ny fiara mpitatitra efa miha vitsy. Amin’io no manararaotra tanteraka ny mpangarom-paosy ka nahavery ireo fananako ireo. Mbola olana miandry anay ihany koa ny fialana taksibe ka hihazo ny elanelantrano hodiana. Misy ihany ireo mpitsena saingy matahotra noho ny haizina tsy misy jiro, tahaka anay mody eny amin’ny faritra mafana Manjakaray sy Anjanahary iny. Ankoatra ny fijeren’ny fanjakana akaiky ny karama farany ambany indrindra, tokony  harahiny maso ihany koa ireo orinasa mampiasa olona, indrindra amin’ny alina mahakasika ny fitaterana manokana», hoy i Marie Jeanne Rasoarimalala.

Nilaza ity renim-pianakaviana ity fa noho ny fahasahiranana amin’ny fitadiavan’asa dia mitazona izay kely ananana aloha izy mba hivelomana. Anisan’ireo tonga nijery ny asa sahaza azy izy tamin’ny « SER’B ASA » teo amin’ny tranohevan’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Kely anefa ny fanantenany hahita asa manoloana ireo vahoaka sy ambony diplaoma tonga nilahatra  nandritra ny zoma sy sabotsy teo. Miandrandra famoronana asa ny vahoaka fa tsy fanangonana antontan-taratasy izay tsy ho hita ny tohiny.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana