Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fifandonana tany Analavory Jiolahy telo matin’ny zandary

03/07/2019

Teny an-dalana hanafika an’Analavory ireo jiolahy 7 no voasakan’ny zandary. Dibo-kafaliana ireo mponina nahita ny fatin’ireo saika hanao fahirano azy.

 

 

  Lehilahy iray zanaka mpivarotena ao Analavory taloha ihany no mpitarika ireo olon-dratsy saika hanafika teo an-toerana. Ny alatsinainy 1 jolay, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro dia nahazo vaovao tamin’olona tsara sitrapo ny paositry ny zandarimaria Analavory fa misy jiolahy 7 miomana hanafika ho ao Analavory ary efa miandry fiara ao Ampizarantany, Tsiroanomandidy. Nidina nisava ny fiara avy hatrany teny Amparihivato-Analavory ny zandary nisava ny fiara rehetra avy any Tsiroanomandidy. Tamin’ny 5 ora sy sasany hariva, voasakana ny fiara Toyota taksibrosy nandehanan'izy ireo. Vao nahatazana ny zandary ry zalahy dia nitsambikina sy nitsoaka teo amin’ny varavaram-pitaratra ny telo lahy ary nanapoaka basy sy nitifitra avy hatrany an'ireo zandary. Nampitandrina sy nampijanona ny mpitandro filaminana saingy vao mainka nanao tifitra variraraka izy ireo. Raikitra ny fifanenjehana sy fifampitifirana. Vokany, jiolahy 3 no lavo tsy tra-drano niaraka tamin’ny basy miisa 3 ka vita gasy ny 2 ary revolver ny 1, ary “poignards” 5 , mohara 5 ary bala maromaro. Jiolahy 4 azo sambo-belona.

Nankasitraka koa ny manampahefana

Nanao short avokoa ireo jiolahy ary efa ao anaty sakaosin'izy ireo avokoa ny akanjo hisoloany sy ny pataloha jean hanaovany rehefa avy mahavita ny asa ratsiny. Horakora-pifaliana sy fankasitrahana no nandraisan'ny vahoakan'Analavory ny mpitandro filaminana ny alatsinainy hariva raha nanatitra ireo fatin-dahalo tao amin’ny CSB II Analavory.  Tazomina ao  biraon’ny zandary ireo sisa tsy maty miandry ny fanolorana azy ireo eny amin’ny  fitsarana. Nankasitraka sy nisaotra ny mpitandro filaminana ihany koa ny mpitondra sy ny vahoaka ao an-toerana.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana