Dans la mme rubrique

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

16/09/2019

Ity fifidianana ho avy ity no hamaritra indray ny politika eto Madagasikara, hoy ny kandida ho mpanolontsain’ny tanàna eto Antananarivo, Nantenaina Rakotonirina, raha nanontaniana mikasika ny fahitany izany fifidianana izany.

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina

16/09/2019

Miisa 6 129 ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben`ny tanàna voarain`ny CENI. Nahitana kandidà avokoa ireo kaominina miisa 1695 manerana ny nosy.

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina

Hamaky ny tohiny...

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

16/09/2019

Hita taratra amin’izao filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izao ny tsy fahatokisana intsony ny hisian’ny lalao madio.

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

16/09/2019

Amin ny talata 24 septambra ho avy izao ny lisitra ofisialy avy amin’ny CENI. Ny tatitra ofisialy no hahafantarana ny isan`ny kandidà narotsaky ny antoko, tsy miankina, lehilahy sy vavy, ny andraikitriny avy.

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

Hamaky ny tohiny...

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

16/09/2019

Mandeha ny kajikajy politika amin’ny resaka fifidianana ben’ny tanàna izay hatao tsy ho ela.

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

16/09/2019

Hitondra ny anjara birikiny ao amin’ny kaominina Arivonimamo, ny kandida Rarija Rajo Tsiferantsoa, izay nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiana tao amin’ny OVEC tao Arivonimamo, ny zoma lasa teo

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana “Voahosihosy ny fahamarinana…”

04/07/2019

Nentina am-bavaka mba hijoro marina hiaro sy hihevitra ary hijery izay hahasoa ny vahoaka Malagasy amin’ny tolo-kevitra sy fampandaniana ny lalàna hataony ireo depiote TIM 16 vao lany.

 

Tao avokoa ireo kandida 109, izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ary nahafantatra fa tsy resy izahay fa mpandresy, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy miteny aho eo anatrehan’ny valim-pifidianana izay didy tsy azo hivalozana fa Andriamanitra irery ihany no mahalala ireo olona lany kanefa natao izay tsy hahalany azy. “Mieritrereta lahy fa dia olona tsy mahay na inona na inona daholo ve ary tsy mahalala ny tokony hataony daholo ve ireo olona nanao fitoriana sy fitarainana ?”, hoy izy. Nanao ny fanamarinana ny vadintany ary nisy ny fijoroana vavolombelona. Nisy tamin’ireo aza efa nohamasinina amin’ny maha mpitondra fiangonana azy dia tsy misy horaisina ve ireo fa tonga dia natao safobemantsina fotsiny ? Mahamenatra ary tena mahamenatra, hoy izy ny maheno amin’ny fampahalalam-baovao avy any ivelany hoe: mba misy fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ve ao Madagasikara ao kanefa misy manitsakitsaka lalàmpanorenana ?  Jerena fotsiny amin’izao fa hoe ireo no azo raisina. Sahy hijoro hanohitra izay mety tsy ho fanarahan-dalàna sy izay hevitra tsy hitondra tombontsoa ho an'ny daholobe ny depiote 16 lany tamin'ny anaran'ny Tiako i Madagasikara. Toy izay ihany koa ny antoko, izay miandry ankehitriny ny didy fampiharana momba ny mpanohitra (décret d'application), satria izany no voalazan'ny lalàna ary ny TIM dia miasa ao anatin'ny fanarahan-dalàna. Tsy hoe manohitra be fahatany fotsiny fa manana programan’asa, dia ny “manifesto”, izay misy drafitra sy planina mazava hoenti-manatanteraka.  Hampitombo ny fidiram-bolan’ny Malagasy, hanao izay hampianarana ny Malagasy, ary hiezaka mba hahatonga ireo tanora hahita asa, hanamboatra ny fotodrafitrasa efa nataoko sy nataonay nandritra ny 8 taona ka hainay io. Efa nijery sy nanatona ireo mpiara-miombon’antoka ary nankasitrahany tokoa ilay izy. Tsy hipetra-potsiny izahay fa manana olona manolotsaina sy hampiofana ireo depiotenay, hoy i Marc Ravalomanana.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana