Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

TRAFIKANA ZAVA-MAHADOMELINA Rongony 60kg mahery sarona teo Anosizato

04/07/2019

Tra-tehaka teo Anosizato ny rongony 62kg. Efa voatsinjara roapolo isa izany ary mitovy lanja avokoa izay 3 kilao sy 100g isanisany.

 

 

 Azo heverina fa matoa mitovy lanja avokoa dia efa misy mpanjifa na mpambongady mpandray ny entana. Hatreto, mbola andrasana ny niaviany sy ny lalan-kizoran’ireo zava-mahadomelina ireo. Fiara sendra niantsona teo Anosizato atsimo atsinanan’ny tetezana no nisy nahatsikaritra ka velon’ahiahy raha nahita entana tsara fono. Ny sabotsy 22 jona teo tamin’ny 5ora sy sasany maraina no naharay antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny sampana miady amin’ny mahadomelina (STUP) mahakasika ny fiantsonana fiara iray, izay nametraka entana mampiahiahy mifono plastika mainty maromaro. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy nidina teny an-toerana nizaha ireo entana. Tao ambadiky ny «castel motel» no tratra ilay fiara. Rehefa nosavaina dia rongony no tao izay notsindrina gony. Mitohy ny fanadihadiana. Velom-panontaniana ny amin’ny fitosahan’ny zava-mahadomelina eto an-drenivohitra ny mpanara-baovao.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana