Dans la męme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tsiroanomandidy Telo mianaka nofiraina famaky sy notifirina

04/07/2019

Olona telo niara-naratra mafy. Ny roa voakapa famaky ary ny iray voatifitra. Io no vokatry ny fanafihan-jiolahy tao Tsiroanomandidy renivohitry ny Faritra Bongolava. Marihina anefa fa tsy nisy entana sy fananana very.

 

 

Azo heverina fa disadisam-piarahamonina izao fandratrana goavana izao. Raha iverenana ny zava-nitranga, ny alatsinainy tamin’ny 2ora maraina teo, jiolahy efadahy mitam-piadiana no nanafika mpivarotra kafe sy mofo teo Amboasarikely, eo an-tampon-tanànan’ny kaominina Tsiroanomandidy. Basy iray vita gasy no nitifiran’ny olon-dratsy ny tanana sy molotra raim-pianakaviana 30 taona. Famaky be iray kosa no nikapan’ireo dahalo ny lohan’ny raim-pianakaviana iray, zokiolona efa mananika ny 60 taona sy ny tanana ana tovolahy iray vao erotrerony 20 taona. Araka ny vaovao ofisialin’ny zandary eo Ankadilalana, tsy nisy nipika ny entana fa vao avy nandratra ireo malaso dia nitsoaka niantsinanana. Efa nentina ao amin’ny hopitalin’ny Faritra Bongolava ireo naratra. Ny mpitandro filaminana any an-toerana no mandray an-tanana ny raharaha.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana