Dans la męme rubrique

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »

13/09/2019

Antoko manana solombavambahoaka voafidy eny amin’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny ny GJMP « Groupement des jeunes Malgaches Patriotiques” tarihako, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas.

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an’i Tanjombato “Rallye vaovao ataoko io”, hoy i Tovonen

13/09/2019

Tontosa omaly tetsy amin’ny OVEC 67Ha ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben’ny tanànan’i Tovo Rakotojohary, fantatry ny rehetra eo amin’ny tontolon’ny hazakaza-piarakodia na Rallye amin’ny fiantsoana hoe Tovonen.

Fampandrosoana an’i Tanjombato “Rallye vaovao ataoko io”, hoy i Tovonen

Hamaky ny tohiny...

Kandidan’ny TIM eny Antehiroka Vonon-kandresy Rajaonera Samy sy ny ekipany

13/09/2019

Kandida ben’ny tanàna eny amin’ny kaominina Antehiroka amin’ny anaran’ny antoko TIM Atoa Rajaonera Samy Andrianavalomalala. Tafapetraka teny amin'ny OVEC ny alarobia 11 septambra teo ny taratasy filatsahan-kofidiana miaraka amin’ireo lisitry ny mpanolotsaina TIM miara-dia aminy.

Kandidan’ny TIM eny Antehiroka Vonon-kandresy Rajaonera Samy sy ny ekipany

Hamaky ny tohiny...

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely

13/09/2019

Nitohy tamin’ny alalan’ny fanaovana didimpoitra maimaimpoana, ny fanaovana asa sosialy efa fanaon’ny antoko Tiako I Madagasikara, eny Ambohimangakely hatramin’izay.

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Kandida tsy nampoizina ny an’ny TIM sy IRD

13/09/2019

Niova endrika tanteraka ny tontolo politika ho amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra. Olona tsy mbola re firy tamin’ny politika no natolotry ny antoko 2 sokajiana ho goavana ho kandida ben’ny tanàna dia i Tahiry Ny Rina Randriamasinoro

Antananarivo Renivohitra Kandida tsy nampoizina ny an’ny TIM sy IRD

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna

13/09/2019

Kaominina 560 amin’ny 1695 manerana an’i Madagasikara no tsy misy kandida, kaominina 1369 nahitana lisitra kandida mpanolotsaina fotsiny; ny any ambanivohitra no tena tsy narisika ireo kandida.

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Minisitra HVM lasa depiote Miketrika hiditra anaty governemanta indray

05/07/2019

Tsy hisy fiovana ny fanaovana politika eto amintsika. Raha noheverina fa hisy fifandanjan-kery politika teto amintsika satria nisy minisitra HVM lasa depiote miampy ny firafitry ny Antenimierandoholona dia nibaribary indray ny tsy fananana etika politika fa nandeha nialokaloka amin`ny fitondrana izy ireo.

 

 

 

 Andrasana tokoa mantsy ny fialan`ny Praiminisitra Ntsay Christian amin`ny 16 jolay ho avy izao araka ny voalazan`ny lalàmpanorenana, ary re fa raha ny kajin`ireto minisitra teo aloha ireto dia miketrika mafy izy ireo hiverina ho mpikambana ao anaty governemanta satria efa manana traikefa, hono. Marihina fa ireo minisitra HVM tompom-pahefana teo aloha ireto be ketrika ireto. Nisy tamin’izy ireo no tonga dia nanjavoa tsy hita popoka vao nihintsana tamin’ny fihodinana voalohany i Hery Rajaonarimampianina, tao ireo nanohana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoa, fa nisy koa ireo tonga dia niara-dia tamin’i Andry Rajoelina na mody nanangana fikambanana tsy miankina. Malaza amin’izao fotoana ny fanenjehana ireo mpitondra teo aloha ahiana ho nandika lalàna sy nanao ny tsy mety. Noho ny tahotra an’izay ve no mahatonga ireto olon’ny kravaty manga fahiny mitakosona amin’ny loko volomboasary ankehitriny ? Sa tena fitiavana te hahazo seza fotsiny tsotra izao fa efa zatra nomem-boninahitra sy niaina manjelanjelatra ? Mila mitandrina ihany ny filoham-pirenena raha te hahomby satria be loatra ny mpamadika palitao sy mpisolelaka izay tsy azo antoka ho mpanolotsaina mahatoky, satria ny tombontsoany manokana aloha no laharampahamehana aminy.

Ireto avy ireo minisitra HVM lasa solombavambahoaka :

 

-Chabani Nourdine (minisitry ny indostria), voafidy tany Taolagnaro.

-Rafidimanana Narson (minisitry ny varotra sady minisitry ny fanajariana ny tany) voafidy tao Antanifotsy.

-Monique Rasoazananera (minisitry ny fampianarana ambony) voafidy tao Ambositra.

-Neypatraiky Rakotomamonjy (minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra) voafidy tao Ihosy.

-Johasy Eleonore (minisitry ny kolontsaina) voafidy tany Vangaindrano.

 

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana