Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana ben’ny tanàna Ho avy indray ny kitoatoa sy hosoka ?

05/07/2019

Tonga tamin’ilay hoe : « azo raisina fa tsy mitombina » ihany ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), fa ny fomba nentina nanehoana azy no niova, rehefa tena halalinina. Nitombina tanteraka ny hoe tsy hifanala baraka sy hifandentika velively ny HCC sy ny CENI.

 

 

 Tsy mbola nivaly iny, dia efa navoakan’ny CENI ny vinan’ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly izay hatao ny 28 oktobra izao, ka ny 20 jolay-3 aogositra ny fametrahana ny antontan-taratasy, afaka tapa-bolana. 3 hetsy hatramin’ny 5 tapitrisa ariary ny antoka ara-bola. Maro ny zavatra tokony hahitsy sy fitsipi-dalao tokony hapetraka, raha tarafina tamin’ny fifidianana filoha sy depiote. Vitavita ho azy ny endrika hosoka sy tsy fanarahan-dalàna, tsy voahaja ny tsy fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana,… ary toa manivaiva tanteraka ireo mpahay lalàna na vadintany niantsoroka ny fitoriana. Toa maneso ireo tsy mba nanao hosoka na nandika lalàna hoe: hadalana ny tsy mba nanaovana izany. Ny tahaka izany ve no hitaizana ny Malagasy sy volena eto ? Kivy ny olona, nitotongana ny taham-pandraisana anjara. Mbola izay ihany ve no tiana hotohizana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna mba hametrahana loko tokana sy fahefana tsy refesi-mandidy ? Ny mety hisiana tsirim-panantenana, dia ny Tribonaly misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana no hiandraikitra ny fifanolanana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Rehefa tsy afa-po eo dia afaka mampiakatra any amin’ny filankevi-panjakana, ary efa nisy teto ny hoe: ben’ny tanàna efa nitantana roa taona no niongana tampoka rehefa nandeha ny fitsarana.

Toky R 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana