Dans la mme rubrique

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

Hamaky ny tohiny...

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Vaky fasana Ambohimalaza Taolam-paty maro no lasan’ny jiolahy

05/07/2019

Naharay antso avy amin’ny lehiben’ny fokontany Ambohimalaza Miray ny zandary teo an-toerana fa nisy fasana vaky.

 

 

 

 Vao naharay ny antso ny alatsinainy tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro ny mpitandro filaminana dia nanatanteraka ny fizahana. Hita ary fa  fasana vita tamin’ny vato teo Ambohimalazabe an’ny fianakaviana roa tonta no lasibatra ka very tamin’izany ireo taolam-paty, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana. Maro amin’ny mpanara-baovao no mihevitra fa entin’ireo olon-dratsy manome hery ireo ody ampiasainy izy ity. Saika ahitana ody gasy sy mohara avokoa ireo dahalo tra-tehaka, raha tsy hilaza afa tsy ireo tra-tehaka tao Analavory farany teo fotsiny, ohatra. Tsy mbola nahitana vokany hatreto ny fanadihadiana azy ireny. Ao ireo maminavina fa fanimbazimbana ny fanomezan-kasina ny razana maha Malagasy fotsiny ireny. Andrasana koa ny fanamarihana ara-tsiantifika fa atao fonona harena saro-bidy izay aondrana an-tsokosoko mba tsy ho hita amin’ny fitarafana izany. Manankarena mpampianatra mpikaroka sy mpanao fanadihadiana lalina i Madagasikara fa mbola mijanona ho mistery hatrany ny trafikana taolam-paty hatramin’izao.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana