Dans la mme rubrique

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

Hamaky ny tohiny...

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanafihana fiarabe mpividy vokatra Lasan’ireo jiolahy ny vola 7 tapitrisa ariary

05/07/2019

Vola 7.000.000 Ariary sy fitafiana ary kara-panondro sy ny taratasim-panomezana alalana hanangom-bokatry ny tompona fiara no lasan’ireo dahalo. Mety efa tsikaritr’ireo jiolahy ny fitondran’ilay fiara ny vola be izay entina hividianana entana.

 

 

 Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary eo Ankadilalana, notafihina jiolahy efatra nitondra basy sy zava-maranitra ny kamiô iray mpitatitra entana mampitohy an’Imerintsiatosika izay fiavian’ny tompon’ilay fiarakodia ho any Soafiadanana.  Teo Ankoririka, fokontany Ambatomirahavavy Toby, kaominina ambanivohitra Miandrarivo, Tsiroanomandidy no niandrasan’ireo jiolahy kendritohina ity fiarabe ity izay vao handeha hividy voamaina. Ilay tompona fiara sady mpandraharaha amin’ny fanangonana vokatra any an-toerana sy ny mpamily ary mpandeha efatra no tao anaty fiara. Noho ny hery tsy nitovy, nilefitra ireo voatafika. Efa nitifitra mantsy ireo jiolahy ka vaky ny fitaratra anoloana sy ny fampangatsiahana motera amin’ny rano (radiateur) an’ilay fiara. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy. Zandary telo avy ao Ambohidrangory sy ny fokonolona any an-toerana no nanatanteraka ny fanarahan-dia. Efa nomena toromarika amin’ny fisavana sy fisamborana ireo jiolahy ireo ihany koa ny mpitandro filaminana manodidina.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana