Dans la mme rubrique

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

16/09/2019

Hahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro i Antsirabe ka ny orinasa Witec no hiandraikitra ny fanorenana izany.

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

Hamaky ny tohiny...

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

11/09/2019

Nisy namono ny lehilahy iray, raim-pianakaviana izay nandeha namonjy fiandrasam-paty.

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHARAH-CKIKIY

06/09/2019

Sazy an-terivozona 15 taona an-tranomaizina no azon’ireo olona izay nanafika sy nikasa ny hifofo ny ain’ilay mpanakanto malaza antsoina hoe Rah-Ckiky.

RAHARAHARAH-CKIKIY

Hamaky ny tohiny...

TIM Ambohimanarina

03/09/2019

Toy ny fanaony isan-taona dia nanomboka omaly alatsinainy 2 septambra ny fampianarana maimaimpoana hiatrehana Bakalorea karakarain’ny antoko Tiako I Madagasikara eny Ambohimanarina.

TIM Ambohimanarina

Hamaky ny tohiny...

MANODIDINA AN’I MBOLA RAJAONAH

02/09/2019

Manomboka mipitika any amin’ny manodidina an’i Mbola Rajaonah ny ra.

MANODIDINA AN’I MBOLA RAJAONAH

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHA FJKM ANALAKELY

29/08/2019

Mangataka mba hanakatona vonjimaika ny FJKM Katedraly Analakely aloha ny Pasitera Rasolomanana Jafetra hitrandrahana ny tena marina amin’ny raharaha.

RAHARAHA FJKM ANALAKELY

Hamaky ny tohiny...

RMDM

14/08/2019

Tafatsangana ankehitriny ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

RMDM

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

ETAZONIA

05/07/2019

Hijanona ho mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara hatrany i Etazonia araka ny fanambaran’ny masoivohony Michael Pellitier omaly teny Ambaranjana nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Amerikanina.Sehatra iaraha-miasa ny fampianarana, fampandrosoana, ny sosialy ary ny politika.

 

 

 

 

 

MIARAMILA TSY HITA POPOKA

 

Miaramila iray no tsy hita popoka hatramin’izao ary nentin’ny dahalo any anaty ala any. Voatery nandefasana hélicoptère tao Miandrivazo sy ny manodidina azy mba hanaovana fisafoana ny toerana rehetra mety hahitàna azy. Miaramila fito izay mpampandry tany no nanao fanarahan-dia ny dahalo taorian’ny fanafihana izay nitranga ny alatsinainy teo. Tsy hita faty tsy hita velona ny iray tamin’izy ireo hatreto ary mitohy ny fikarohana azy izay nampiasàna angidim-by mihitsy. 


 MIADY AN-TRANO

 

Tsy maintsy hanao tombana izay zavabitan'ny minisitra ny filoha vao hanova ny governemanta. Efa tsapa anefa fa misy ministra tsy nahavita tsara ny asany ary nanaratsy endrika ny governemanta. Mbola ny fanendrena ny praiministra no mahamaika ny filoha amin'izao fotoana izao ary koa hifidy izay ho filohan’ny antenimieram-pirenena. Miady an-trano rahateo ny antoko izay tarihiny satria olona roa eo anivon’izany no samy te-hitondra io antenimeram-pirenena io. 


MATY TENY AN-DALANA

 

 Maty tampoka teny an-dàlana ilay rangahy omaly atoandro, tetsy Ambatomaro. Noezahin’izay nahita ihany ny nanavotra azy saingy  teo ihany dia efa hita fa tsy misy hevitra intsony. Mpivaro-boky ao Ambohijatovo no asany ary manana aretina mitaiza izy dia ny aretim-bavony izany. Rehefa ririnina no tena mihetsika ny karazan’aretin’ny taova ary efa nitaraina mafy ho narary izy raha araka ny fitantaran’ny olona. Omaly raha handeha hamonjy ny asany dia nihinjitra tampoka ary namoy ny ainy. 


FANADIHADIANA ANY AMBOHIMAHASOA

 

Mbola mitohy ny fihainoana ireo olo-be avy any Ambohimahasoa ao amin’ny sojaben’ny mpitsara mpanao famotorana. Izy ireo dia misy olom-boafidy ary koa misy tangalamena. Mahakasika ny fahafatesan’ny olona telo izay nariana tao amin’ny reniranon’Onive ity raharaha ity. Miaramila 27 no nidoboka am-ponja teny Tsiafahy ary nafindra eny Antanimora ny 20 tamin’izy ireo. Efa ho roa andro izay no nohainoana tsirairay teny amin’ny fitsaràna Anosy ireo olo-be voalaza etsy ambony. 


MINISTERAN’NY SERASERA

 

Mihamafy hatrany ny tsy fitiavan’ny mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana ny mpitantana eo anivon’ny minisiteran’ny serasera. Raha nisy ny tsy nety tamin’ny fitantarana mivantana ny matso tamin’ny fetim-pirenena dia ny tonian-dahatsoratra teo anivon’ny Tvm roa no indray nisaoty. Mitombo ny hasosorana satria tsy mba tonga tany amin’ny tompon’andraikitry ny minisitera izay nanome baiko ny tsy hisian’ny mpitandro ny filaminana mitantara ara-teknika mihitsy ny sazy fa ny ambany foana no mizaka ny vokany. 


MPITONDRA SCOOTER KAROHANA

 

Karohina ny mpitondra scooter iray amin’izao fotoana. Nandeha tamin’ny lalan-tokana (sens unique) teny Ankadifotsy izy tsy mifanalavitra amin’ny hopitaly fiterahana izy no nandona ramatoa iray izay tsy nahtsiaro tena hatramin’ny omaly vokatry ny fahavoazana. Nitsoaka avy hatrany izy taorian’ilay heloka ary ny olona dia nifanampy tamin’ny fanavotana ny naratra. Nisy koa ny vavolombelona izay namariparitra ny mombamomba ity lehilahy tsisy saina ity.

 

DEPIOTEN’I FANDRIANA

 

Misy indray ny mponina izay manizingizina ny tokony hamoahana ilay depiote lany tany Fandriana. Maro anefa no vesatra iampangana azy tao amin'ny ministeran'ny fanajariana ny tany. Mbola ela vao ho tany tan-dalana ity firenena malagasy ity

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana