Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tsindrihazolena Mpandrafitra nolavina karama ary naiditra am-ponja

05/07/2019

Ny alarobia 24 jolay ho avy izao no hiakatra fitsarana ny raim-pianakaviana iray lazain’ny fianakaviany fa tratran’ny tsindrihazolena tanteraka.

 Voa roa tahaka ny naratran’ny famaky, sady voan’ny famaky no mandoa loso iray. Niatrana am-bava-basy tamin’ny mpitandro filaminana avy hatrany ny lehilahy iray raha niakatra an’Antananarivo handray karama no anton-diany. Tsy nanampo na inona na inona fa fitakiana valin-kasasarana no niakarana ny renivohitra kinanjo fiakarana fampanoavana teo amin’ny fitsarana Anosy no setriny. Raim-pianakaviana iray mpandrafitra no naiditra am-ponja. Voaendrikendrika nangalatra izy kanefa heverina fa tsy nahaloa ny karamany ny mpampiasa azy, araka ny fitantaran’ny vadiny tamin’ireo mpanao gazety, afak’omaly atoandro.

Vary izao no namidy natao saran-dalana sy nitondrana nanaterana sakafo ho an’ny vadiko any am-ponja. 12.000 ariary ny saran-dalanay avy any ambanivohitra Antsirabe. Niantso ny “patron” izay niasany ny vadiko avy any an-tanàna mahakasika ny karamany. Nasain’io mpampiasa azy io niakatra taty Antananarivo  izy. Nony tonga taty an-drenivohitra anefa, zandary no niandry azy. Voapanga ho nangalatra izy, dia izao nampidirina am-ponja vonjimaika izao. Anio alakamisy 4 Jolay  ny fitsarana azy. Fongana tanteraka ny tahirinay sy ny fananana kelinay nentina natao saran-dalana sy nanaterana sakafo aty am-ponja. Efa voaroaka tsy nisy nianatra koa ireo zanakay fa tsy nahavita saram-pianarana ka najanon’ny tompon’andraikitry ny sekoly. Na ny mpisolovava aza tsy manana vola ho amin’izany izahay ka resy ambony ihany na manana ny marina aza. Mitodika amin’ireo manampahefana manoloana izao tsy rariny izao”, hoy i Mariette Razanadrafara, raha nitafa tamin’ireo mpanao gazety maro teo Anosy, afak’omaly. Miandrandra ireo mpiaro ny zon’olombelona hanara-maso ity raharaha ity.

Haja Nirina/ Rakotobe

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana