Dans la męme rubrique

Fampiasana Aterineto Mbola tara i Madagasikara

20/09/2019

Hifarana anio ny fikaonan-doha nasionalin’ny “Aterneto” izay efa natomboka omaly tetsy Anosy.

Fampiasana Aterineto Mbola tara i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fampiroboroboana ny fizahantany Vahiny 800 000 isan-taona no tanjona

18/09/2019

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 17 septambra 2019 teny amin’ny CCI Ivato ny andiany voalohany amin’ny atrikasa iraisam-pirenena ho an’ny famatsiam-bola ho an'ny fizahantany sy ny fitaterana na ny “Wave Madagascar”,

Fampiroboroboana ny fizahantany Vahiny 800 000 isan-taona no tanjona

Hamaky ny tohiny...

Manizingizina ny orinasa STAR “Manaja ny tontolo iainana izahay”

18/09/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany nanazava ny mikasika ny fiavian’ny katsaka hampiasainy ho akora fototra hanamboarana ireo zava-pisotro vokariny, omaly ny orinasa STAR, taorian’ny nandefasana fahitalavitra vahiny iray fanadihadiana toa miampanga ity orinasa ity.

Manizingizina ny orinasa STAR “Manaja ny tontolo iainana izahay”

Hamaky ny tohiny...

Harena sarobidin’i Madagasikara Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko

16/09/2019

Nahazo vahana indray tato ho ato ny fikasana hanondrana ny harena sarobidin’i Madagasikara, araka ny tatitry ny fadin-tseranana Malagasy. Anisany ny saika amoahana safira teny Ivato tamin’ny alatsinainy lasa teo izay nataona vehivavy Indiana 2.

Harena sarobidin’i Madagasikara Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

10/09/2019

Hisy ny fiaraha-miasa lehibe eo amin’ny Havila School etsy Mamory Ivato sy ny Business & Hotel Management School na BHMS avy any Soisa, araka ny fampahafantarana omaly tetsy amin’ny Hôtel Pietra Analakely.

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

Hamaky ny tohiny...

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

06/09/2019

Ho fampivoarana sy ho fampiroboroboana ny fiofanana arakasa dia tanora miisa 25 no halefan’ny orinasal Base Toliara handranto fianarana any Kenya.

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

05/09/2019

Tsy azo ihodivirana intsony ny tokony hifehezana ny teny Anglisy eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao mantsy dia saika mitaky ny fahaizana io teny vahiny io avokoa ireo orinasa maro.

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fampandrosoana lovain-jafy Mbola ho tratran’i Madagasikara ihany ve ?

08/07/2019

Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, mihatsara ny toekarena ankapobeny eto Madagasikara saingy tsy mipaka any amin`ny isam-batan`olona.

 

 

 

 Mbola miaina anaty fahantrana ny ¾-n`ny Malagasy. Nanana vina sy fandaharanasa handresy ny fahantrana amin’ny ampahany araka ny tanjon’ny OMD (tanjon’ny taona arivo fahatelo) i Marc Ravalomanana ary nieritreritra fa mila 15 taona (fotoam-piasana 3) no hahavitany izany. Saingy efa tantara sisa moa io, tsy tratra ny OMD, niditra indray ny ODD (fampandrosoana lovain-jafy), mbola ankamantatra… Zavatra hafa ny mahamaika ny mpitondra. Efa tamin'ny taona 2014 no novolavolaina ireto ODD ireto. Raha 17 ny tanjona, 169 kosa ny tarigetra ary 300 ny mari-pahafantarana vinavinaina hojerena hanatontosana ireo tanjona ireo. Mifototra amina lamina telo mazava ireo ODD ireo. Voalohany, mijanona ao ihany ny OMD saingy hamafisina. Faharoa, hisy ny tanjona hafa hampisongadinana ny firenena. Farany, hipoitra ny fanamby vaovao. Ahiana tsy ho tratra ireo tanjona ireo raha mitohy ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra, delestazy, tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidin’ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN), fanaparam-pahefana manginy fotsiny. Tsy mbola amin’ity taona ity mihitsy vao hatomboka ny fanatontosana ireo ODD ireo raha ny eto Madagasikara. Ny tena loza, raha tsy ho tratra koa io dia ho very 25 taona izany ve i Madagasikara ? Ahoana no hanenjehana an’izany ? Sa miandry fahagagana ?

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana