Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tsy fandriampahalemana Efa tongan’ny dahalo Ambohimanga

08/07/2019

Sahy mitsapa sy mandranitra ny tanjaky ny mpitandro filaminana ireo jiolahy.

 

 

 Omby avy amin’ny faritra fiavian’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena mihitsy no nanaovan’ireo dahalo latsak’alina. Efa any ambaravaran’ny mpamosavy no manoko sikidy ireo malaso. Nitrangana halatra omby miisa telo tao amin’ny fokontanin’Ambodihady, kaominina Ambohimanga Rova, distrikan’Antananarivo Avaradrano. Tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany marainan’ny zoma 5 Jolay teo no nitrangan’ny fangalarana ireo biby fiompy ireo. Tsy voafaritra ny isan’ireo dahalo , raha ny loharanom-baovao. Navoakan’izy ireo an-tsokosoko tao

anaty vala mantsy ireo omby ireo. Novakian’ireo olon-dratsy tamin’ny fomba tsy re tsaika tao ny vavahadin’ilay vala ary efa maraina vao tsikaritr’ireo tompony fa very tao ny biby mpitarika

saretin’izy ireo. Vokany, tsy nisy ny maty sy ny naratra. Rehefa naharay ny fampitam-baovaon’ny lasibatra ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandariamariam-pirenena avy ao

Ambohimanga Rova dia tonga nanao ny fitsirihina. Nanatanteraka ny fanarahan-dia avy hatrany izy ireo sy ny fokonolona avy ao an-toerana. Ny zandary avy eny  Ambohimanga Rova no mandray an-tanana ny famotorana.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana