Dans la mme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitantanana ny firenena Tsy maintsy ovaina ny lalàmpanorenana ?

09/07/2019

Hiroso amin’ny fivoriana manokana ireo solombavambahoaka vao voafidy ny talata 16 jolay izao. Ny IRD rahateo no mitarika ny fahazoana maro an’isa eny anivon`ity andrim-panjakana ity.

Ny azo antoka aloha dia tsy maintsy hiroso amin`ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka mahakasika fanovana ampahany amin’ny lalàmpanorenana ny fitondrana. Sarotra ny hilaza na tsara na ratsy ilay fanovana na fanitsiana tian’ny fitondrana entina. Tsy afaka hitondra fanazavana na fanohanana na fanakianana momba izany amin’izao fotoana izao Vonon-kiaro ny lalàmpanorenana tokoa ve ny filohan` ny Repoblika ? Hatreto tokoa dia tombantombana no entina. Moa ve ireo hevitra nivoitra nandritra ny hetsiky ny depiote 73 no hotanterahan’ny filoha Rajoelina ? Inona tokoa moa no nitambaran’ireo depiote tamin’izany fotoana izany ? Fiarovana ny fahamarinana ? Mila fanovana na fanitsiana lalàmpanorenana ve izany ? Na hanao ahoana ny fandrafetana ny fanontaniana mipetraka ho an’ny mpifidy dia tsy maintsy valiana ENY na TSIA. Ny eo amin`ny mpitondra kosa dia tsy maintsy miaro ny politika entiny mitondra ny firenena. Raha te hanatontosa ireo fampanantenany sy ireo velirano nataony ny filohan`ny Repoblika, tsy maintsy miroso amin`ny fitsapan-kevi-bahoaka : hofoanana ny Antenimierandoholona. hapetraka ireo governora isam-paritra ka ho lasa 23 ny isan` ny faritra, hofidiana ny sefom-pokotany… Tsy olana ny manitsy na manova lalàmpanorenana saingy tokony hatao ao anatin` ny fifampidinihana izany. Tsy azo atao maimaika fa mila ifampiresahana amin`ny mpisehatra politika rehetra ary misy ny dingana sy paika arahina. Na i Andry Rajoelina aza dia nanova io lalàmpanorenana io ny 2010 mba tena hifanentana taminy satria nihevitra ny hijanona teo, saingy tratry ny “ni…ni…” ny 2013. Mbola lalàm-pifidianana sy lalàna hahafahany mitazona fahefana no nanonganana an-dRajaonarimampianina izay narovan’ny HCC, ary iny resy tamin’ny fifidianana iny.

 

Marigny A.

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana