Dans la mme rubrique

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...

Voasoroka ny loza teny 67 HA Lehilahy nanolana tovolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

22/08/2019

Nitrangana fanolanana tovolahy iray teny amin’ny faritra 67ha afak’omaly atoandro. Lehilahy toa azy ihany koa ilay nanatanteraka ny asa ratsy.

Voasoroka ny loza teny 67 HA Lehilahy nanolana tovolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro tany Toamasina Tsy nahitana porofo ilay resaka karandoha

22/08/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpitandro filaminana nisahana ny fanadihadiana miady amin’ny heloka bevava ao Toamasina omaly.

Savorovoro tany Toamasina Tsy nahitana porofo ilay resaka karandoha

Hamaky ny tohiny...

Ambondromamy Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nidaroka ireo telo mianaka

21/08/2019

Ny iray tamin’ireo jiolahy efatra izay nandratra azy telo mianaka tao Ambondromamy no efa tra-tehaka, raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambondromamy.

Ambondromamy Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nidaroka ireo telo mianaka

Hamaky ny tohiny...

Mitaraina ny tompon’ny MPO Toamasina “Fampiasam-bola 6 tapitrisa dolara izao somparan’ny fanjakana izao”

21/08/2019

Mahatratra 07ha58a71Sa ny velaran’ity tany hanorenan’ny Madagascar Premium Oil (MPO) orinasa ao Tanandava ity.

Mitaraina ny tompon’ny MPO Toamasina “Fampiasam-bola 6 tapitrisa dolara izao somparan’ny fanjakana izao”

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina mameno ny tanàna Rongony 300 kg tra-tehaka tany Betroka

21/08/2019

Mihanaka be ny rongony. Andrasana ny fepetra hentitra hanafoanana ity loza mandondona ny firenena ity. Efa hitovy tsy misy valaka amin’ireo tany miady sy hanatanterahana trafikana zavamahadomelina i Madagasikara.

Zava-mahadomelina mameno ny tanàna Rongony 300 kg tra-tehaka tany Betroka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana Anjozorobe Vaky ny lohan’ilay mpitondra moto cross

09/07/2019

Samy naratra ireo mpitondra cross roa nifanehitra ary ny iray aza tsy tana ny ainy. Vaky mantsy ny lohan’ity farany, nentina nihazo ny hopitalin’ny distrika na CHD Anjozorobe,

 

 

saingy tsy avotra noho ny ratra mafy. Izany no vokatry ny loza mahatsiravina nitranga tamin’ny lalan’ny kaominina Ambongamarina, distrikan’Anjozorobe. Samy kodiaran-droa izy ireo no nifandona vokatry ny fandehanana mafy tao anaty fiholahana sy fangalaran-dalana. Ny alakamisy teo, tamin’ny 10 ora atoandro no nifanehitra teo Tsiakafandra, fokontany Ambohitaomina, tamin’ny lalana mampitohy an’Ambongamarina sy Anjozorobe ireo môtô cross roa. Tsiahivina fa andro mahabetsaka ny mpampiasa lalana noho ny andro tsy fiasana amin’iny faritra avaratry ny faritra Analamanga iny sady tsenan’ny renivohitry ny distrika ihany koa. Samy tao anatin’ny heriny ireo kodiaran-droa ireo izay samy vaovao, ny iray marika “Mada moto” aza mbola mitondra laharana “WWT” saingy potika tanteraka avokoa hatramin’ilay iray marika “France rider”. Avy ao amin’ny kaominina Ambongamarina avokoa ireo mpanamory. Avy ao Tsiakafandra Ambohitaomina nisehoan’ny loza ny lehilahy iray 34 taona nitondra ilay “Mada moto” ary ilay raim-pianakaviana 46 taona nitondra “France rider” kosa avy ao Ambodiaviavy. Ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Anjozorobe no nandray an-tanana ny raharaha.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana