Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanarahana ny lalao CAN tao Vondrozo Tapaka ny jiro, raikitra ny torabato

09/07/2019

Tezitra ny mponina ary nisafoaka, ka nirohotra nankeny amin’ny biraon’ny jirama tao amin’ny distrikan’i Vondrozo, faritra Vatovavy Fitovinany, ka nitorabato tsy nifandrenesana tao amin’io birao io.

 

 

Teo am-panarahana ny lalao nifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny RD Congo ny alahady lasa teo, ny fokonolona no tapaka tampoka ny jiro.

Niakatr’afo izy ireo ka nankany amin’ny biraon’ny jirama, ka raikitra teo ny torabato. Nisy fahasimbana ny birao ary nalady tonga ny mpitandro ny filaminana nandamina ny zava-nitranga tany an-toerana. Tsy nahita hatramin’ny farany io lalao io, ny fokonolona, ka nahatonga izao fahatezerana izao.

Mbola nanao teny fandrahonana ihany koa ireto farany, fa hodoran’izy ireo ity birao ity, raha mbola mitohy izao fahatapatapahan’ny jiro ao Vondrozo izao.

Nilaza ny tompon’andraikitry ny jirama tany an-toerana, fa 50 kilowatt ihany no tanjaky ny  gropy mandeha any ary tsy mahenika ny tanàna izany, ka nahatonga ny fahatapahana. Nisy fahasimbany anefa izy io ny 28 jona lasa teo ary bilao tao amin’ny motera no nahatonga ny olana. Mangataka milina amin’ny fitondram-panjakana sy gropy roa izay manana tanjaka 72 kilowatt izy ary amin’izay mahenika ny tanàna rehetra ny jiro, dia ho afaka ny olan’ny delestazy.

Marihana fa tao anatin’ny telo andro nisesy no niseho izay fahatapahan’ny jiro izay ary tsy tokony hisy intsony izany amin’io lalao ampahefa-dalana ataon’ny Barea amin’ny alakamisy io, hoy ny vaovao avy any an-toerana.

Sitraka r.

 

Fanafihan-jiolahy 

Olona roa maty voatifitra, telo naratra

Nisehoana asan-jiolahy indray tao amin’ny distrikan’i Miandrivazo, ka nahafatesana sy nandratrana olona. Roa no maty voatifitra ary telo naratra mafy izay mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny tobim-pahasalamana ao Miandrivazo amin’izao. Omaly vao mangiran-dratsy no nisehoan’io fanafihana io, tao amin’ny fokontany Betanatanana, kaomina sy distrikan’i Miandrivazo, faritra Menabe. Andian-jiolahy tsy fantatra isa, nirongo basim-borona sy kalaky ary famaky no tonga nanafika ity tokantrano iray, izay misy fianakaviana dimy.

 Nitaky ny vola sy firavaka sarobidy ireo mpanafika. Tsy nahafa-po azy ireo ny zavatra azony, ka ombin-tsarety roa tao am-bala no nentin’izy ireo. Nidina tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana ary nanokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha ity.

Sitraka r.  

 

 

Fandresen’ny Barean’i Madagasikara

Naneho ny hafaliany ny malagasy, nitohana ny fifamoivoizana

Tao anatin’ny fitaintainana no nandraisan’ny vahoaka malagasy ny fandresena, izay nahazoan’ny ekipam-pirenena malagasy ny Barean’i Madagasikara fandresena hiakarana any amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana.  Afaka trosa tamin’ny kongoley ny ekipa malagasy, na dia resin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra aza ny gasy tamin’izany. Naneho ny hafaliany ny malagasy ny alin’ny alahady teo, taorian’izay fandresena miezinezina izay. Kiririoka, anjomara, bapampa, tako-bilany sy ireo fitaovana hafa izay nentina nanehoana izay hafaliana izay. Nitohana ihany koa ny fifamoivoizana ary naharitra ora roa izany, raha ho an’ny tetsy Analakely, Behoririka, Andravoahangy ary Ankadifotsy. Nobahanan’ireo vahoaka nifaly ny fiara nandalo ary teo no nisian’izay fitohanana lavareny izay. An-kilany, nirantiranty nameno ny arabe sy ny lalana teny rehetra teny ny sainam-pirenena malagasy, ny tandrok’omby maneho ny sarin’ny Barea sy ny loko maro samy hafa. Nivoaka ny arabe taorin’io fandresen’ny Barea io ihany koa ny zaza amam-behivavy, ny ankizy, ny antitra, ny tanora ary ireo vehivavy nitondra vohoka, naneho izay hafaliana izay. Tafakatra amin’ny dingana ampahefan-dalana noho izany ny Barean’i Madagasikara ary amin’ny alakamisy izao no hiatrika izay lalao izay, izy ireo.

Marihana, fa nisy “écran géant” lehibe iray tetsy amin’ny Gara Soarano nanarahin’ireo olona marobe io lalao natao ny Barea sy RD Congo io. Nahitana mpitandro ny filaminana nifamezivezy koa teny an-toerana ary nandrindra ny fifamoivoizana izy ireo.  

Sitraka r.

 

 

Be vaovao

Ikongo

Lavanila maintso milanja 800 kilao no saron’ny mpitandro ny filaminana, tao amin’ny distrikan’Ikongo, ny 1 jolay lasa teo. Tafaporitsaka ireo tompon’atoka vao nahita ny mpitandro ny  filaminana, fa ny entana kosa no azon’izy ireo.  Nopotehina sy nodorana teo anatrehan’ireo manampahefana tany an-toerana ireo lavanila maintso sarona ireo.

 

Mampikony

Noho ny ezaka nataon’ny zandarimaria tao amin’ny “poste avancé” Mampikony, dia omby 500 mahery no voatazona amin’izao. Ireo biby ireo dia very nandritra ny roa herinandro ary ampy ny porofo, fa omby halatra  ireo. Tany amin’ny distrikan’i Mandritsara sy Port Berger no nahazoan’ny zandary fitarainana momba ny fahaverezan’omby ary mbola mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary sy ny fokonolona any an-toerana amin’izao fotoana izao.

 

 

 

Mpianatra malagasy any Maraoka

Miantso vonjy, fa tsy mbola nandray vatsim-pianarana

Manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana izahay mpianatra aty Maraoka. Antony, nohon'ny tsy mbola naharaisanay ny vatsy "allocation 2017-2018”, izay vola, voalaza fa efa nivoaka ny volana janoary 2019, saingy tsy mbola tonga any amin’izy ireo amin’izao, satria hoe tsy manana saran-dalana, ahafahany mandeha any Maraoka ny “agent comptable” miasa ao amin'ny “Ambassade de Madagascar” any Dakar. Nisy ny fitadiavana vahaolana sy sosokevitra naroso  ny handrotsahana ny volan’izy ireo any amin’ny banky na “virement bancaire”, saingy tsy neken'ny mpiandraikitra izany, hoy ny vaovao avy any an-toerana, eny fa na dia ireo mpianatra “beneficiers” aza no hiantoka ny lany amin’ny fandoavana ny sara-dalana sy ny tapakila an’io mpitam-bola io.

Nitondra ny fitarainana maro tany amin'ny tompon'andraikitra izy ireo, saingy nandamoka daholo izay natao rehetra, ny hany hery dia miantso ary mandefa hafatra ampahibemaso mba ho tonga an-tsofin'ny tompon’andraikitra ny olan’izy ireo, ka hahitan'izy ireo vahaolana haingana.

Marihana, fa “tsy mandray vatsim-pianarana avy amin'ny fanjakana Marokanina izahay mpianatra mandritra izao fiala-tsasatra izao”, hoy izy ireo. Sahirana ihany koa  ny ray aman-drenin’ireto farany, araka ny fantatra.  Izahay ihany koa dia miaro ny voninahitr’i Madagasikara amin'ny fianarana izay ataonay aty, ka mangataka ny zonay izahay, hoy hatrany ireto mpianatra ireto.

Sitraka r.  

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana