Dans la mme rubrique

Ravalomanana sy Andriantsitohaina Miha mafy ny fifandonana

13/08/2020

Tsy misy resaka politika mihitsy io, ary marina angamba ny tenin’i Filoha Ravalomanana hoe tsy mahay politika aho,

Ravalomanana sy Andriantsitohaina Miha mafy ny fifandonana

Hamaky ny tohiny...

Patrick Raharimanana “Mampalahelo ahy ilay Filoha mitsena entana”

13/08/2020

Nandinika ny sarin'ny Filoham-pirenena nitsena ireo fitaovana nafarana avy any ivelany entina hitsaboana marary dia lasa ny saiko, hoy ny filohan’ny antoko politika Vitantsika io, Patrick Raharimanana ary tena nalahelo azy aho. Navoaka tao anaty fiaramanidina ny entana,

Patrick Raharimanana “Mampalahelo ahy ilay Filoha mitsena entana”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Ny fitondrana mihitsy no mitady korontana”

13/08/2020

Mampalahelo ny vahoaka Malagasy satria fanina tanteraka ary tsy mahita ho sarangotina, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Natiora, tarihin’ny filohany Mihari-Ni-Rencho.

Antoko Natiora “Ny fitondrana mihitsy no mitady korontana”

Hamaky ny tohiny...

Dinika politika andiany faha-8 Ho raisina ny soso-kevitry ny sehatra tsy miankina

13/08/2020

Ao anatin’ny fanomanana hatrany ny andiany fahavalo amin’ilay dinika politika eto Madagasikara izay tohanan’ny vondrona eoropeanina dia anjaran’ireo sehatra

Dinika politika andiany faha-8 Ho raisina ny soso-kevitry ny sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina Manomboka mafana ny fitsikerana azy

12/08/2020

Manomboka mafana ny tsikera mahazo ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina.

Naina Andriantsitohaina Manomboka mafana ny fitsikerana azy

Hamaky ny tohiny...

Anosizato Andrefana Raikitra ny fanisana ny mponina

12/08/2020

Raikitra ny fanisana ny mponina ao anatin’ny kaominina Anosizato Andrefana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Anosizato Andrefana Raikitra ny fanisana ny mponina

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Akatony ny MBS raha sahy ianareo”

11/08/2020

Ny 30 jolay teo no nandefasan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina taratasy manambara ny fanafoanana ny fifanarana fampiasana tany an-taonany maro na “bail amphytéotique”

Marc Ravalomanana “Akatony ny MBS raha sahy ianareo”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanoherana ny hosoka sy halabato Manomana fihaonambe ny “Collectifs des candidats”

10/07/2019

Mitohy ny tolona hiadiana amin’ny halabato sy ny hosoka izay ataon’ireo “collectifs des candidats”. Taorian’ny fihaonambe teny amin’ny “Live Hôtel”,

 

 

nialoha ny namoahan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo,  dia manomana fihaonambe ny kandidà rehetra manerana ny nosy, afaka andro vitsy ka iantsoana ireo kandidà rehetra izay mahatsapa fa nisy ny halabato sy ny hosoka tany amin’ny faritra misy azy tsirairay. Nambaran’Atoa Rakotomalala Henri na Riribe, kandida tao Toamasina voalohany fa raha ny  “requete” 684 sy ny porofo napetraka teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia tokony ho maro ny distrika namerenana ny fifidianana ary nisy tamin’ireo kandidan’ny Ird no “disqualification”, hoy izy. Ny mampalahelo anefa, tsy neken’ny Hcc ny fitarainana noho ny baiko midina avy amin’ny Ird sy ny teritery.

Mahatsiaro ireto kandidà nivondrona ho iray ireto fa manana andraikitra izy ireo raha toa ka  hangina manoloana ny halatra be vava. Manana zo hifidy ny olona, nefa nesorina tao anaty lisi-pifidianana ny anarany. Tompon’andraikitra feno tamin’izao halatra izao ny Ceni sy ny Hcc, hoy hatrany i Riribe, satria, ity vaomiera misahana ny fifidianana ity dia  niray tsikombakomba tamin’ny halabato ary nanao izay hampandaniana ny kandidam-panjakana. Teo koa ny tsy fanarahan-dalàna momba ny lisitra ary ny fampiasana ny fitaovam-panjakana. Ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia tsy afaka namoaka ny marina noho ny fanerena avy any ambony.  Ny tsy hiverenan’ny halabato sy ny fandikan-dalàna maro samy hafa toy izao no mbola mampijoro ireto “Collectifs des candidats” ireto. Tsy azo ekena intsony ny hiverenany sy hisehoan’izany eto amin’ny firenena toy ny fifidianana filoham-pirenena sy ny depiote farany teo. Raha izay no mbola miverina ary miziriziry amin’ny heviny ny fanjakana, dia hihena ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Tsiahivina fa nisy ny tolona teny amin’ny kianjan’ny 13 mey nataon’ireo depiote 79 nitaky fanovana, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana. Ny solombavambahoaka niady  izany no lasa tompon’ny halatra sy ny hosoka. Hisy ihany koa ny fanambarana ataon’izy ireo amin’io herinandro ho avy io, hoy hatrany ity kandidàn’i Toamasina voalohany ity.

 

Sitraka r.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana