Dans la mme rubrique

Sainte Marie Naolan’ny Raikeliny in-telo ilay zazavavy

12/08/2020

Naiditra am-ponja vonjimaika, ao Sainte Marie, afak’omaly, ny lehilahy iray, 56 taona, nanolana ny zana-badiny izay vao 11 taona monja.

Sainte Marie Naolan’ny Raikeliny in-telo ilay zazavavy

Hamaky ny tohiny...

Fampodiana Malagasy any ivelany Hamoaka ny vidin` ny tapakila ny Air Madagascar

12/08/2020

Taorian` ny fanambarana nataon` ny filoham-pirenena ny 09 aogositra lasa teo mahakasika ireo teratany Malagasy mihitsoka any ivelany noho ny krizy ara-pahasalamana dia hisy ireo sidina manokana hitatitra azy ireo amin` ity volana aogositra ity.

Fampodiana Malagasy any ivelany Hamoaka ny vidin` ny tapakila ny Air Madagascar

Hamaky ny tohiny...

Fampodiana ireo Malagasy taraiky any Frantsa Nanome sosokevitra ny Masoivoho Malagasy

12/08/2020

Nanome sosokevitra ny amin’ny tokony hividianan’ireo Malagasy taraiky any Frantsa maniry hody an-tanindrazana tapakilam-piaramanidina vaovao ny ambasadaoro Malagasy miasa sy monina any an-toerana, Rija Rajhonson. Azo atao, hoy ny fanazavana,

Fampodiana ireo Malagasy taraiky any Frantsa Nanome sosokevitra ny Masoivoho Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Handeha tongotra hiasa ho firaisankina amin’ny Vahoaka

12/08/2020

Hiverina hiasa i Ny Rado Rafalimanana iray volana sy herinandro taorian’ny nahazoany fahafahana vonjimaika ka nivoahany ny fonjan’Antanimora nitazomana azy telo volana nanomboka ny 2 aprily 2020.

Ny Rado Rafalimanana Handeha tongotra hiasa ho firaisankina amin’ny Vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Foloalindahy Malagasy Roa sisa ny “général de corps d’armée” am-perinasa

12/08/2020

Tonga nanao veloma ny Jeneraly Rakotonirina Richard, Minisitry ny Fiarovam-pirenana ny Jeneraly Rakotozafy Dominique, Minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha izay handeha hisotro ronono.

Foloalindahy Malagasy Roa sisa ny “général de corps d’armée” am-perinasa

Hamaky ny tohiny...

Polisim-pirenena Tafapetraka ireo tompon’andraikitra ambony vaovao

12/08/2020

Tontosa tamim-pirahalahiana omaly 11 Aogositra 2020 maraina ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo tale isan-tsokajiny eo amin’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka izay vao voatendry tamin’ny filankevitry ny Minisitra farany teo. Ny

Polisim-pirenena Tafapetraka ireo tompon’andraikitra ambony vaovao

Hamaky ny tohiny...

Ankisirasira Morondava Grenady mahery vaika saika nampidi-doza

11/08/2020

Nahitana grenady mahery vaika tao Ankisirasira, Morondava. Tao anaty « sachet » mainty io fitaovam-piadiana mahery vaika, vita sôvietika, io ary ankizy nilalao no nahita azy ny tolakandron’ny sabotsy teo,

Ankisirasira Morondava Grenady mahery vaika saika nampidi-doza

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Andrin-jiro eny Ampitatafika Maty sahady ny 40 amin’ireo 256 isa

10/07/2019

Mikasika ireo mpivarotra sy mpitsinjara rongony eto Ampitatafika, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Rado Ramparaoelina, dia nisy mpivady efa tratra ary nalefa any Antanimora, 3 volana lasa izay.

 

 

Ny mampalahelo dia 1 taona latsaka izy ireny dia miverina amin’ny fiarahamonina ary manao ny ataony indray. Efa voafehin’ny zandary sy fokonolona ary ny Quartier mobile amin’ny ankapobeny anefa ny tsy fahandriampahalemana. Miezaka manao izay tratrany ny kaomandin’ny borigadin’ny zandarimaria ao Fenoarivo. Manao mihoatry ny mety aza satria raha ny fitaovana eo am-pelatanany dia hitako hoe tsy afaka izy. Ny polisy koa efa nanao latsaka alina ary nifaoka andian-jiolahy maro. Niha tsara ny fandriampahalemana saingy tambajotra ilay mpivarotra rongony ka rehefa mivoaka ilay olona migadra dia mety olon-kafa indray no hampanaoviny ny asany dia eo ihany ny vokany. Ny olana dia tsy manana fotodrafitrasa mitombina ny tanora dia lasa misy famoizam-po kely ka vahaolana ny famoronana asa. Mampihena azy io na tsy mahafoana aza satria misy zanaka mpanankarena koa mifoka rongony. Mila fitaizam-panahy sy fiarahamonina koa izany ankoatra izay. Ny tanjona moa dia ny hampandry fahalemana ary amin’ny ankapobeny dia miezaka mandrehitra ireo jiro efa tafapetraka izahay saingy entanina ny mponina mba ho saro-piaro amin’ny fananan’ny kaominina satria dia 40 isa amin’ireo jiro 256 sahady izao no maty. Ao ny misy mitoraka flesy, ny misy manimba sy mangalatra, hoy hatrany ny fanazavany.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana