Dans la mme rubrique

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

Hamaky ny tohiny...

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Asa fanaovan-gazety Ny CUA no niantoka ny vatampaty sy ny fiara nitondrana an’i Jacob

10/07/2019

Maty am-perinasa teo am-piandraiketana ny serasera sy ny fampitam-baovao (attaché de presse) teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) i Jacob Haingonirina. Tonga nanatanteraka famangiana ny mpiasa maroben’ny CUA izay notarihin’ny Lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna, Olivier Randrianarisoa.

 

 

 

 

Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no nandray an-tanana ny vata sy ny fiara nitondrana ny razana hihazo an’i Vohipeno, omaly talata  atoandro. Tonga niondrika teo anatrehan’ity mpilaza vaovao ity ihany koa ireo mpanao gazety maro notarihin’ny holafitry ny mpanao gazety sy ny Talen’ny Radiom-pirenena Malagasy. Raha tsiahivina, nodimandry  ny alin’ny alahady 7 jona teo ny namana mpanao gazety Haingonirina Jacob. Resaka fahatapahan’ny lalandra no nahavoa azy. Naiditra hopitaly teo Befelatanana ary niafara amin’izao famoizany ny ainy izao.  Teo am-piezahana hanitatra ny ambaindain’ny fahalalany sy hampiakarany ny maripahaizana ilaina amin’ny marikarama amin’ny maha mpiasam-panjakana azy izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao.  Anisan’ny namatsy vaovao tamin’ny haino aman-jery maro i Jacob Haingonirina, anisan’izany ny Tia Tanindrazana.

« Patraona omby »

Hain’ity mpanao gazety ity avokoa ny fifandraisana hatramin’ny any ambany ravinkazo hitrandrahana vaovao sy ireo manampahefana ambony. Izay no anisan’ny nahafeno ny hafatra tao anatin’ny «gazety boky Trandraka faha-2» niarahana tamin’ny Unesco ka nahazoany ny laharana voalohany. Mpanao gazety efatra no nitrandraka mikasika ny  « Halatra omby. Kolikoly avo lenta, anjakan’ny dahalo ambony latabatra ny tanàna», anisan’izany i Seheno, Tahiana ary ny mpanao gazetinay.  Io no nahatonga ny anaram-bositr’i Jacob ho « patraona omby ».  Teo ny fitetezana ny faritra andrefan’i Madagasikara fisokirana vaovao tamin’ny dahalo sy ny fandalovana ireo minisitera voakasika, indrindra ireo veterinera sy delegem-panjakana ary ny mpitandro filaminana izay voatonontonona tamin’io dahalo ambony latabatra io. Tsangambaton’io trandraka 2 io ny “puce” ana omby hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Ny ekipan’ny  Gazety Tia Tanindrazana iray manontolo dia miray fo sy miombona alahelo ary mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Haingonirina Jacob.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana