Dans la mme rubrique

Fiaram-panjakana nanararao-pahefana Voasazy avy hatrany ilay Tale

23/08/2019

Namoaka taratasy ofisialy fialan-tsiny omaly ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny Pr Rakotonirina Julio.

Fiaram-panjakana nanararao-pahefana Voasazy avy hatrany ilay Tale

Hamaky ny tohiny...

Lahatra Andriamahatsangy “Tena ilaina ny tanàn-dehibe vaovao saingy…”

23/08/2019

Tena ilaina ny fisian’ny tetikasa tanàn-dehibe. Ny fahitako azy amin’ny ankapobeny,

Lahatra Andriamahatsangy “Tena ilaina ny tanàn-dehibe vaovao saingy…”

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

22/08/2019

Hita tamina gazety mpiseho isan’andro iray omaly alarobia 21 aogositra ny antso tolo-bidy misokatra amina tsenan’asam-panjakana (Appel d’offre ouvert) mitondra ny laharana 003-DRAHTP/SRTP/BOENY/CP18/FER.2019.

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

Hamaky ny tohiny...

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly

22/08/2019

Mbola banga tanteraka ny toeran’ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA amin’izao, taorian’ny fanesorana an’Atoa Jaomiary Olivier, tale jeneraly teo aloha, taorian’ny filakenkevitry ny minisitra farany teo.

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly

Hamaky ny tohiny...

Soarano sy Behoririka Nodiovina ny tanàna, nakisaka ireo mpivarotra mibahan-dalana

22/08/2019

Araka ny vinan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana eo amin’ny fiarahamonina eto an-drenivohitra, izay “ soa iombonan’ny Malagasy”

Soarano sy Behoririka Nodiovina ny tanàna, nakisaka ireo mpivarotra mibahan-dalana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi

22/08/2019

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly maraina, ny ambasadaoro vaovaon’i Inde monina sy miasa eto amintsika, Atoa Abhay Kumar.

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

21/08/2019

Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly alatsinainy 20 aogositra tamin’ny 8 ora sy sasany alina Atoa Alain Ramaroson, rehefa notanana teny Antanimora nanomboka ny 3 aogositra 2016

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fanadiovana ny haino aman-jery manerana ny nosy Afaka 10 andro ny vokatry ny fanadihadiana

11/07/2019

Miisa 180 hatramin’ny omaly ireo onjam-peo sy fahitalavitra tonga nanao fanambarana momba ny antontan-taratasy eo am-pelatanan’izy ireo, teny anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.

 

 

 

 Tapitra omaly mantsy ny fe-potoana nomen’ny minisitera hahafahan’ireo tompona haino aman-jery manatitra eny an-toerana ny antontan-taratasim-pisian’izy ireo. Araka izany dia hiroso amin’ny fizahana tsirairay ireo antontan-taratasy ny minisitera hahafahana mijery ireo tena manara-dalàna tokoa. Tafiditra ao anatin’izany ny sivana sy ny fampitahana ireo antontan-taratasy ary ny fampitoviana azy ireo. Araka ny fantatra mantsy dia maro tokoa ireo endrika tsy fanaharan-dalàna eo amin’ny haino aman-jery. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny taratasy, ny fivarotana izay tsy mazava na taratasy mifindrafindra tanana, ny fiverenana misokatra indray kanefa tsy mbola nahazo famerenana akory, ary ankoatra ireo ny lafiny teknika mikasika ny halavan’ny mari-drefy, sy ny tanjaky ny “emetteur” ampiasaina.  Tsy midika akory izany ho anisan`ireo azo sokajiana fa ho ireo manara-dalàna tanteraka ireo onjam-peo sy fahitalavitra nanatitra ny antontan-taratasy manambara ny fisiany sy antom-pijoroany ireto fa tsy maintsy mbola hisy ny sivana sy fampitahana ary fampitoviana ireo antontan-taratasy ho an`ireo fahitalavitra sy ny eo anivon`ny minisitera. Nilaza ny teo anivon`ny minisitera tompon’andraikitra fa raha misy tompona orinasan-tserasera fa tsy ara-dalàna ny fahitalavitra na koa ny onjam-peony dia tokony hampiato ny fandaharana misy ao aminy izy. Tsy hakatona kosa fa hampiatoana ny fandaharana misy aloha satria tsy mety raha tsy mitovy ny mpiantsehatra rehetra. Afaka 10 andro eo moa no ho fantatra ny antontan’isa mazava mikasika izao fanaraha-maso natao izao, hahitana ireo haino aman-jery manara-dalàna sy ireo tsy manaraka ny fenitra.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana