Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fahafatesana Depiote Olon’ny fihavanana, antra ireo sahirana i Jaona Elite

11/07/2019

« Mila iverenana ny tantara. Fony mbola nitambatra ny MAPAR na miaraka amin’ny Andry Rajoelina sy ny GPS dia nampiombona tanteraka ny teo Tsimbazaza i Jaona Elite izay maty ny alahady teo.

 

 

 Izy mantsy no filohan’ny GPS na Groupe parlementaire spécial. Mbola anisan’ireo mafana fon’ny PMP izy na plate-forme majoritaire présidentielle », hoy ny depiote teo aloha Henri Charles  Randriamahefa voafidy tany Moramanga teo aloha. Olon’ny fampihavanana sy ny firaisankina izy, tsy nahazaka mahita olona sahirana, hoy hatrany io solombavambahoaka namany io. Nanamafy izany ireo mponina maro be an’Atsimondrano teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ka hatreny Ankatso fandevenana omaly. « Niantoka ny fandevenana ireo lavitra tanindrazana izy, ireo vehivavy rehetra didina am-piterahana ihany koa, izy no nisahana izany. Nanome zezika ny tantsaha, fitaovam-pianaran’ny mpianatra, rano fisotro madio, nanampy tamin’ny fotodrafitrasa tahaka ny  tohadrano sy ny lalana izy », hoy ireo antenne, solontenany any amin’ny fokontany.

Efa nolovainy teo amin’ny fianakaviana izany asa soa izany raha ny filazan’ny reniny. « Nanana orinasa izahay ary efa nanao asa soa tamin’ny sekoly sy ny fiangonana ka io no nanabeazana azy. Safidy ny politika fa tsy nanomana azy tamin’izany izahay, nefa tsy nanary azy kosa. Tsy sasatry ny maka torohevitra aty aminay ray aman-dreniny izy, indrindra izaho reniny », hoy i Bakoly Francine Ranoromalala, izay nilaza fa mafy ny mandevin-janaka amin’ny maha fon-dreny azy. Nomen’ny fanjakana mariboninahitra izy ka ny “Ordre de merite sportif avy amin’ny minisitera mpiahy, “Commandeur de l’ordre national” kosa izay notoloran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Max Rakotomamonjy.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana